Halatra tany : Mpiasa avy amina sehatra miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana ireo mpisandoka sy mpangalatra
Nahatratra olona maromaro, mpisandoka sy mpangalatra tany ny Zandarimariam-pirenena ao amin’ny Sampam-pikarohana na “Section Recherche”. Olona avy amina sehatra maro samihafa no miray tsikombakomba ao anatin’itony « mafia » itony. Ahitana olona miasa ao amin’ny fokontany, kaominina, mpanera sy orinasa mpikirakira fampindramam-bola iray, ireto tratra ireto, hoy ny avy ao amin’ny Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany (MFFT)
Miseho amin’ny endrika samihafa
Endrika maro samihafa no hisehoan’ity fisolokiana sy halatra ity. Tranga roa no nahatrarana ireto olona efa matihanina amin’ny fisandohana sy fangalaran-tany ireto. Fantatra hatreto fa tany eny Ankadifotsy sy By-pass iny no nahatrarana azy ireo. Amin’ny ankapobeny dia misy ireo tany efa misoratra amin’ny anaran’olona no misy manodina avy eo. Voalohany indrindra amin’izany ireo tsy mbola nananganana fotodrafitrasa na dia tamboho fotsiny aza. Toraka izany koa ireo efa nanangan-javatra ihany saingy varimbariana tsy mamindra ilay tany amin’ny anarany ny tompony ka voahodina ihany koa. Misy amin’izy ireny no tena voavadik’ireo mpangala-tany amin’ny anarany mihitsy ireo tany. Saika matetika no mahazo fitarainana momba izany ny Zandary sy ny Boriborintany ary ireo Kaominina manodidina an’Antananarivo. Efa tambazotra mihitsy ireto mpanao asa ratsy ireto ka efa mahafantatra ny pitsopitsony rehetra azony atao hanamorana ny taratasy rehetra.
Hampiharana lalàna
Tsy hanao afa-bela ireo izay tafiditra amin’ny raharaha fangalaran-tany ivondronan’ireo mpanao ratsy ny MFFT, raha ny fanazavana. Ho ampiharina amin’ireto farany avy hatrany ny lalàna famaizana. Ao anatin’izany dia tsy hisy ny fanavahana ireo rehetra tratra. Hisy ny fampitoviana ny sazy hampiharina na olon-tsotra na olom-boafidy na koa mpitantana, araka ny nambaran’ny Minisitra, Andriantsitohaina Naina, nandritra ny filan-kevitry ny Minisitra, mivantana tamin’ny volana janoary lasa teo.
Etsy ankilany moa dia efa mandroso amin’izao fotoana izao ny fikaroham-bahaolana mba hampihenana ny fomba hahafahan’ireo olon-dratsy mangalatra tany. Isan’izany ny fampiasana ny « digitalisation » hahafahana manamora ny fahazoana taratasy tany.