The Malagasy Way of Life
Madagasikara
Tout voir
Fialantsasatra any Mahajanga : Ireo toerana rehetra azo ialana voly sy tsidihana
Ny hilalao ranomasina no tena masaka ao an-doha rehefa misafidy an'i Mahajanga amin'ny fialantsasatra toy izao. Maromaro ireo fialam-boly azo tao ankoatry ny mandeha eny amin'ny Plage.

Om-Gui : Mpanoratra, mpihira, mpanabe
Raha vao maheno izany anarana hoe : Om-Gui izany dia ny tarika Ny Ainga no tonga voalohany ao an-tsaina. Talohan’ny naha-mpihira azy anefa dia mpanoratra i Om-Gui ary mpikambana tao amin’ny Faribolana Sandratra, fony fahavelony.

Lac sacré Mangatsa : Toerana fanaovana fomba Sakalava sady fonenan'ireo biby arovana
Tsy torapasika ihany no azo sitrahina ao Mahajanga rehefa fialantsasatra toy izao. Maromaro ireo toerana hankafizana ny natiora, ireo biby arovana sy ny kolontsaina Sakalava ao amin'ny faritra Boeny.

Parc National Ankarafantsika : Toeram-pizahantany mitahiry harena voajanahary sy biby arovana eto Madagasikara
450 kilometatra miala an'Antananarivo ary 114 kilometatra tsy hahatongavana an'i Mahajanga no misy ny Parc National Ankarafantsika. Amoron-dalana, eny amin'ny RN4, no misy ny vavahady lehibe fidirana. Raha mandeha amin'ny lalana mampitohy an'Antananarivo sy Mahajanga izany dia tsy maintsy mahatazana izany toeram-pizahantany arovana izany.
Fahasalamana&Sakafo
Tout voirFahalalana Ankapobeny
Tout voir
Fomba fanamboarana savony tsy mampiasa « soude »
Maro amintsika no maniry hanamboatra savony vita ao an-trano.

Fikarakarana ny tarehy rehefa ririnina, mba tsy ho simba sy makiana
Resahana matetika ny fikarakarana ny tarehy rehefa vaninandro mafana mba ho fiarovana ny hodi-tava amin’ny vokadratsin’ny masoandro. Mila fikolokoloana ihany koa nefa izy io rehefa ririnina toy izao satria mety manimba azy ihany koa ny hatsiaka, ny rivotra sy ny erikerika. Ireto manaraka ireto àry ny torohevitra manampy hikarakarana ny tarehy rehefa vaninandro mangatsiaka.

Mbola afaka hoanina ve ny ovy efa mitsiry ?
Toe-javatra mety miseho ny hoe lasa mitsiry ny ovy rehefa tehirizina mandritra ny andro maromaro. Izany hoe lasa misy toy ny fakany kely mipoitra eo amin’ny vatany. Ny fanontaniana mipetraka dia hoe : mbola afaka hoanina ve ireny ovy mitsiry ireny ? Tsy atahorana hanampoizina ve ? Andeha ho resahana eto ny mikasik’izany.

Akora natoraly hikarakarana ny hoditra mandritra ny ririnina
Rehefa ririnina toy izao dia marefo sy mora makiana ny hoditra vokatry ny hatsiaka sy ny rivotra maina. Mba hiarovana azy tsy ho simba dia azo atao tsara ny mampiasa akora natoraly hikarakarana azy amin’ny fiainana andavanandro. Araho eto ary ny santionany amin’ireo vokatra natoraly manampy hikolokoloana ny hoditra rehefa ririnina.
Moovnaute