Esoavelomandroso Andréas Monique : Nametraka ny anarany ao anatin’ny tantaran’i Madagasikara
Vao tamin’ny herinandro lasa teo no napetraka ho isan'ireo mandrafitra ny Filànkevi-pitantanan'ny Andrin’ny Mariboninahi-pirenena (Grand Chancellerie) Rtoa Esoavelomandroso Andréas Monique Claudine. Hatairana, noho izany ny an’ny maro, raha nahare androany 17 martsa 2025 fa nindaosin’ny fahafatesana ity andriambavilanitra nanana ny maha-izy azy teo amin’ny tantaran’ny firenena malagasy ity.
Nitana andraikitra ambony maro
Avy any Taolagnaro ny fiaviany sy namitany ny fianarany, hatreo amin’ny ambaratonga fototra. Nifindra fonenana matetika ny fianakaviany, arakaraka izay nanendrena ny rainy, izay kaomiseran’ny polisy. Nipetraka tany Toliara izy, avy eo tany Fianarantsoa, izay toerana nahazoany ny diplaoma bakalôrea. Raha efa izay dia nandranto fianarana momba ny Lalàna teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo izy, ary nanohy fianarana tany Frantsa. Nanomboka teo no nandraisany andraikitra tamin’ny fitantanana ny firenena, andraikitra izay tsy ary ho voatanisa avokoa. Asa nosahainy voalohany ny « Contrôle des Changes » teo anivon’ny ministeran’ny Fitantanam-bola. Taorian’izay dia efa tale nisahana ny momba ny vehivavy sy ny ankizy, teo anivon’ny ministeran’ny Mponina izy, ary tale Jeneraly sy sekretera jeneralin’io ministera io ihany.
Efa minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Faritany Mizaka Tena rtoa Esoavelomandroso Andréas Monique teo anelanelan’ny taona 2002 hatramin’ny taona 2004. Voatendry ho sekretera jeneralin’ny kaomisionin’ny ranomasimbe Indianina (COI) izy, taorian’izay, andraikitra izay nosahaniny nandritra ny 4 taona, hatramin’ny taona 2008, tany Maorisy. Rehefa tafaverina teto an-tanindrazana ny tenany dia notendrena ho Mediatoran’ny Repoblika (Médiateur de la République), hatramin’ny taona 2021, izany hoe : nandritra ny 12 taona. Izy no vehivavy malagasy voalohany nitazona io andraikitra io. Ny 10 martsa 2025, dia napetraka tamin’ny fomba ôfisialy ho isan'ireo mandrafitra ny Filànkevi-pitantanan'ny Andrin’ny Mariboninahi-pirenena misahana ny faritanin’i Toliara rtoa Esoavelomandroso Andréas Monique.
Nampiroborobo ny vehivavy
Isan’ny nahalalana azy ihany koa ny firotsahany tamin’ny fampiroboroboana ny vehivavy. Ankoatra ny andraikiny teo anivon’ny ministeran’ny mponina, dia efa nitazona ny toeran’ny filohan’ny Plateforme des Femmes en Politique de l’Océan Indien (PFOI) ihany koa izy. Ankoatra izay, ny taona 2024, dia isan’ny nametraka ny vondrona momba ny rariny ara-miralenta sy ara-tsôsialy rtoa Esoavelomandroso Andréas Monique.
Ho an’ireo nahalala azy akaiky dia vehivavy tsy mety reraka, niady ho an’ny fotokevitra manan-daja, masiaka nefa be ronono, ary tena vehivavy mendrika rtoa Esoavelomandroso Andréas Monique.