Flash Actu
Menabe : Vatomizana 1kg miisa 5, vato 500g iray ary vato 250g roa, tsy manara-dalàna, nampiasain'ny mpivaro-kena sy legioma no nogiazana, tao amin’ny tsenan’i Nahamora, nandritra ny fitsidihana nataon’ny DRCC.
Après le cyclone Gezani, le Consulat général de l’Ambassade de France à Madagascar est à Toamasina. Une centaine de familles ont été reçues par le chef du service social, Hugues Nagy, mobilisé pour les soutenir dans cette période difficile.
Hampiatoana vonjimaika ny fandovana ireo haba sy hetra amin’ny fanafarana lafarinim-bazaha sy menaka, raha ny tatitry ny filan-kevitry ny minisitra, omaly.
108 agents du réseau Fianarantsoa Côte Est (FCE) peuvent désormais percevoir une pension sans condition d’âge ni d’ancienneté, garantissant équité sociale et reconnaissance de leur service à la Nation.
Voatendry ho Lehiben’ny Faritra Fitovinany Vonjimaika, i Razafintsiandraofa Jean Brunelle, nandritra ny filan-kevitry ny minisitra, omaly.
Hankalaza ny jobily faha-130 taonany ny Sampan-draharaha misahana ny raharahan-tany eto Madagasikara.
Nahazo Sekretera Jeneraly vaovao ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka, dia ny Dr Randrianambinina Ephraim Stéphanson
Ministeran'ny Fizahantany sy ny asa tanana : Ho tanterahina ny 14 hatramin'ny 17 may any Frantsa, Domaine du Coq Suèvres, ny hetsika "Gasy k'Art".
Nisy dinika an-databatra boribory notanterahina, omaly 2 martsa, nandinihana ireo paikady sy fepetra hentitra ho entina manatsara sy miaro ny zo ara-pahasalamana, ara-pananahana sy ara-piterahana ho an’ny vehivavy rehetra.
Antananarivo : Hahafahana mampitombo ny famokaran-drano dia ho tontosaina manomboka ny 05 martsa 2026, amin'ny 8 ora maraina, ary haharitra 7 andro ny asa fanoloana paompy vaovao izay afaka hamokatra rano 1000m3 isan'ora, ao Mandroseza I.
8 mars 2026 : « Femme malgache, une force pour le renouveau de la Nation », thème national retenu. Une prière œcuménique ouvrira les célébrations le 4 mars.
Mbola misy foana ny trangan’aretina mpox vaovao ary ny tanora no tena betsaka voa, noho ny fifampikasohana avy amin’ny firaisana ara-nofo, hoy ny tomponandraikitry ny fahasalamana ao Boeny.
Natomboka omaly, Alatsinainy ny fizaràna ireo fahazoan-dalàna hividy sy hivarotra vatosoa na "Autorisation d'achat- revente des pierres fines et précieuses" tao amin'ny Kaominina Andohanilakaka - Distrikan' Ihosy - Faritra Ihorombe.
Le Groupement des exportateurs de crabes a remis 191 tôles dans les locaux du Ministère de l’Industrialisation et du Développement du Secteur Privé (MIDSP), destinés aux personnes touchées par les cyclones Fytia et Gezani.
Nogiazana avy hatrany ireo vary manodidina ny 60 taonina, efa misy fahasimbana tonga tany Toliara, avy ao Toamasina. Tsy nisy fahazoan-dalana hitondra ireo avy amin’ny DRCC Atsinanana, izay fitsipika tokony ho arahin’izay rehetra mitatitra vary toy izao.
Sambava : Mpianatra miisa 485 sy tokantrano manodidina ny 44 no nahazo fotodrafitrasa rano fisotro madio vaovao. Ahitana lavadrano mandeha amin’ny herin’ny masoandro 2, sinibendrano 2, fantsakana 7 ary trano fidiovana sy fivoahana.
International Catering Cup 2027 - Sélection Madagascar : L'équipe d'Herizo Rakotoniaina et Onja Feno Faniriana Ramanantsoa (Novotel) représentera Madagascar à la sélection Afrique.
Lire la suite
Ankadikely Ilafy : Ahitana firehetana eo anivon'ny farittry Orinasa Somacou. Ny orinasa mpanao kapa antsoina hoe Minimad no may.
MPOX : Un premier décès lié a été signalé à l'HOMI Antananarivo. Il s’agit d’une fillette de trois ans. La dépouille a été transférée à Toamasina et inhumée ce jour.
Toamasina- Des outils à prix abordable pour accélérer les réparations
Fahasalaman’ny nify sy ny ati-vava : ny fifandraisany amin’ny areti-mitaiza
Tsy voafetra amin’ny tsy fisian’ny lavaka amin’ny nify sy ny hatsaran’ny fitsiky fotsiny ihany ny fahasalaman’ny nify sy ny ati-vava. Araka ny voalazan’ny Organisation mondiale de la Santé dia anisan’ny aretina fahita indrindra maneran-tany ny aretina mahazo ny ati-vava sy ny nify, ka olona manodidina ny 3,5 miliara no voakasik’izany. Ankoatra izay dia efa voaporofo fa misy fifandraisana akaiky amin’ny aretina mitaiza maro izy ireny, toy ny aretim-po sy lalan-drà, ny diabeta, ary ny aretin’ny taovam-pisefoana sasany.
Fanatanjahantena aorian’ny fiterahana : ireo hevi-diso manodidina izany
Maro amin’ny vehivavy avy miteraka no maniry hiverina hanao fanatanjahantena. Maro ny antony manosika azy ireo amin’izany : hahazo hery indray, hifankazatra amin’ny vatany vaovao, hanalefaka ny fanaintainana… Manoloana ireo torohevitra mifangaro, ny havizanana lalina, ny tsindry ara-tsosialy dia toa tsy mora ny mahafantatra hoe raoviana sy ahoana no hanomboana indray. ‘Ndeha ary ho fantarina ireo hevi-diso mikasika ny fanatanjahantena aorian’ny fiterahana.
Setroky ny fatana ao an-trano : mety hisy fiantraikany amin’ny taovam-pisefoana
Ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy dia mampiasa fatana saribao na kitay amin’ny fandrahoana sakafo. Mbola maro no tsy mahafantatra fa mety hisy fiantraikany amin’ny taovam-pisefoana ny setrok’izy ireny. ‘Ndeha ary ho resahana eto ny andinindininy mikasik’izany.
Marary lamosina, marary kibo: sao dia avy amin’ny fihetseham-po ?
Efa nisy fotoana ve ianao nahatsapa ho mangotika ny kibo mialoha ny hanao fanadinana na fivoriana lehibe? Na nahatsapa toy ny misy zavatra mivesatra be eo amin’ny soroka rehefa avy niasa mafy mandritra ny herinandro? Tsy kisendrasendra ireny fahatsapana ireny: ny vatantsika no fitaratra voalohany mampiseho ny zava-mitranga any anaty fanahy any.
"Syndrôme du cœur brisé" : Tranga mitovitovy amin'ny "Crise cardiaque"
Raha vao maheno hoe "cœur brisé" dia ilay olona voadonam-pitiavana na voadonam-piainana mafy no mby any an-tsaina. Avy amin'izany tokoa no nahazoana ilay "Syndrôme du cœur brisé", izay manakaiky ny "Crise cardiaque".
Ireo honohono sy hevi-diso mikasika ny fahafinaretan’ny vehivavy
Mbola rakotra fahanginana sy fady maro ny resaka fahafinaretan’ny vehivavy, indrindra eto amintsika. Mbola betsaka noho izany ireo hevi-diso misy fiantraikany amin’ny fiainana ara-nofon’ny vehivavy sy ny fomba fijerin’ny fiarahamonina izany. Zava-dehibe ny mandrava ireo finoana diso ireo mba hanampiana ny vehivavy hanana fiainam-pananahana salama, mazava ary mifototra amin’ny fanajana. Araho ary ny santionany amin’ireo hevi-diso faheno.
Tosidrà avo mandritra ny fitondrana vohoka : rahoviana no tokony hanahy ?
Ny tosi-drà avo (hypertension) dia mahakasika eo amin’ny 5 ka hatramin’ny 10%-n’ny vehivavy bevohoka. Raha voafehy tsara izy io dia mety ho malefaka. Mety hitarika fahasarotana kosa nefa raha tsy voaray an-tanana ara-dalàna. Noho izany, rahoviana no tokony hanahy ny tosidrà avo mandritra ny fitondrana vohoka ? Inona avy ireo famantarana mampitandrina ? Araho eto àry ny zavatra tokony ho fantatra.
Fitsirihana ara-pahasalamana alohan’ny hitoe-jaza : tena ilaina tokoa ve ?
Mihamaro ankehitriny ny mpivady vao manatanteraka fitsiriana ara-pahasalamana alohan’ny fikasana hiteraka. Tsy mijanona amin’ny fanajanonana ny fanabeazana aizana ny fanomanana vohoka. Maro ny fitiliana sy lafin-javatra tokony hojerana alohan’ny hitoe-jaza mba hiantohana vohoka milamina. Araho ary ny andinindininy mikasika izany.
« Infection urinaire » miverimberina : ahoana ny atao hisorohana izany ?
Ny vehivavy no tena voakasiky ny « infection urinaire » miverimberina fa mety ho voa ihany koa ny lehilahy sy ny ankizy. Lazaina ho miverimberina izy io raha miseho in-3 na mihoatra ao anatin’ny herintaona, na in-2 ao anatin’ny enim-bolana. Matetika dia “cystite” no endriny, ary mety hanelingelina ny fiainana andavanandro ka mila fitsaboana sy fisorohana sahaza. Ireto ary ny fomba manampy hisorohana ny « infection urinaire » miverimberina.
« Poil incarné » rehefa avy manao « épilation » : ny tsara fantatra mikasik’izany
Ny « poil incarné », na volo tsy mivoaka hoy isika, dia ireo volo izay tsy mitombo eny ivelany araka ny tokony ho izy ka lasa mibahan-toerana eo ambanin’ny hoditra. Rehefa avy manala volo amin’ny alalan’ny « épilation » na fiaratana izy ireo no miseho. Manelingelina, ary mety manaintaina na manonitra izy ireny raha tsy voatandrina. Inona ary ireo antony mahatonga ny « poil incarné » ? Ahoana ny atao hikarakarana sy hisorohana azy ireny ?
« Boissons énergisantes » : ireo mety ho vokadratsiny eo amin’ny tanora
Mahasarika tanora sy zatovo maro ankehitriny ireo zava-pisotro manome angovo na ny « boissons énergisantes ». Lazaina fa manampy amin’ny fifantohana, mampitombo hery rehefa manao fanatanjahantena ary mampihena harerahana mantsy izy ireny. Na dia aseho ho maoderina sy mampatanjaka aza izy ireny dia misy ihany koa ireo vokadratsy mety haterany amin’ny fahasalaman’ny tanoro sy ny zatovo mpisotro azy.
Diabeta sy tosidrà avo : inona no mampitombo be ireo tranga eto Madagasikara ?
Tsy mitsaha mitombo ny olona tratry ny diabeta sy tosidrà ambony eto Madagasikara. Taloha dia noheverina ho aretin’ny « firenena mandroso » izy ireo, nefa ankehitriny dia tsikaritra fa mihatra amin’ny fianakaviana maro eto amintsika, na an-tanàn-dehibe na any ambanivohitra. ‘Ndeha ary ho resahana eto ireo antony mampitombo ireo aretina ireo eto Madagasikara sy ny fomba atao mba hisorohana azy ireny.
Te hihinana masira foana : inona no mety ho antony ?
Ara-dalàna ny faniriana sakafo masira indraindray. Rehefa lasa matetika, mafy na tsy mety tapaka kosa nefa io faniriana io dia mety ho hafatra avy amin’ny vatana izany. Manana anjara asa lehibe amin’ny fiasan’ny vatana tokoa mantsy ny sira (sodium). Koa inona marina àry no mety tadiavin’ny vatana rehefa manosika antsika te hihinana zavatra masira foana izy ?
Fahasalamana : Ireo fahazarana mamizana antsika nefa tsy tsikaritra
Tsy voatery ho avy amin’ny tsy fahampian-torimaso foana ny havizanana. Maro ny olona mahatsapa ho reraka na dia efa mihezaka tsy mandrera-tena aza. Raha ny marina dia misy fahazarana amin’ny andavanandro, izay heverina tsy mampaninona, kanefa mandany hery tsikelikely ary tsy tsikaritra. Ireto avy àry ny santionany amin’ireo fahadisoana mahazatra mamizana antsika… nefa tsy tsapantsika akory.
Ny "Sapiosexualité" : Rehefa ny saina no mpanaitra voalohany ny faniriana
Malaza any ivelany any tato ho ato ny « sapiosexualité ». Ity farany moa dia teny manondro fisarihana ara-pitiavana na ara-nofo noho ny faharanitan-tsain’ny olona iray. Izany hoe raha avy amin’ny bika na ny fijery no mahatonga fientanam-po eo amin’ny olona sasany dia ny resaka lalina, fisainana mavitrika sy ny faharanitan-tsaina no manintona ny olona « sapiosexuel ». Araho eto ny andinindininy mikasika azy io.
Fampidirana sakafo ho an’ny zazakely : ireo fahadisoana tsara tandremana
Dingana lehibe eo amin’ny fitomboan’ny zaza ny fampidirana sakafo fanampiny na « diversification alimentaire ». Matetika eo anelanelan’ny faha 4 ka hatramin’ny 6 volana eo no hanombohana azy io. Satria mbola tsy hary tsara ny taovam-pandevonan-kanin’ny zazakely dia mila fitandremana ny fanatanterahana izany. Araho eto ary ireo fahadisoana tsara tandremana mikasika ny fampidirana sakafo ho an’ny zazakely.
Kafe be loatra : misy fiantraikany miafina eo amin’ny tebiteby sy ny torimaso
Maro ny manana fahazarana misotro kafe maraina. Lasa ampahany amin’ny fiainana andavanandro izy io, na ao an-trano na ao am-piasana. Saingy ao ambadik’io fahazarana tsotra io dia misy zavatra miafina mbola vitsy mahalala : rehefa be loatra ny kafe sotroina dia mety hampitombo ny tebiteby sy hanakorontana lalina ny torimaso. Araho eto ny andinindininy mikasik’izany.
« Péridurale » : ny tena zava-misy sy ny tsaho mikasik’azy io
Ny « péridurale » dia fomba fanalefahana fanaintainana isan’ny fampiasa indrindra mandritra ny fiterahana. Maro ny vehivavy misafidy azy io noho izy mahomby amin’ny fampihenana ny fanaintainan’ny fiterahana, mbola misy ihany koa nefa ireo fanontaniana sy tsaho miparitaka momba azy. Resahana eto ary ireo tsara fantatra mikasika ny « péridurale ».
Aretina tifôida na « typhoïde » : ireo fambara tsy azo atao tsirambina
Ny tifôida, antsoina ihany koa hoe « fièvre typhoïde » dia aretina vokatry ny bakteria « Salmonella Typhi ». Mbola mahavoa olona maro eto amintsika izy io noho ny tsy fahampian’ny rano fisotro madio sy ny fotodrafitrasa fanadiovana. Mety hiseho miadana ity aretina ity, nefa raha tsy tsaboina ara-potoana dia mety hiteraka fahasarotana lehibe. Zava-dehibe ny fahafantarana mialoha ireo soritr’aretina voalohany mba hisorohana ny fahasarotana ara-pahasalamana mety hitranga.
Mahamasina : Toerana manan-kasina amin'ny Malagasy
Nanapa-kevitra ny hamerina ny anarana "Kianjan'i Mahamasina" ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina, ho famerenan-kasina.
Les Partenaires
Moovnaute