• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Praiminisitra Ntsay Christian : « Hatomboka faran’izay haingana ny fanamboarana ny tetezan’Ifasy sy Mahavavy »

17/03/2025 11:52 © Moov

Nidina tany Ambilobe nanomana ny dingana rehetra hanatanterahana ny asa fanamboarana ny Tetezan'Ifasy sy ny Tetezan’i Mahavavy ny Praiminisitra, Ntsay Christian. Niaraka tamin’ny Solontena maharitry ny Banky Iraisampirenana miasa sy monina eto Madagasikara, Andriamatoa Atou Seck, ny tenany tamin’izany. Nivoitra nandritra ny fidinana ifotony ny fepetra horaisina hanombohana ny asa faran’izay haingana.

Tsy hiandry ela intsony ny fanarenana

Raha tsiahivina dia ny rivo-doza Gamane tamin’ny taona 2024 no nanimba ireo tetezana roa ireo. Nanomboka tamin’izany dia misedra fahasahiranana hatrany ireo mpampiasa lalana. Vahaolana vonjimaika ihany anefa no napetraka ka miverina hatrany ny olana rehefa tena mirotsaka betsaka ny orana.
Araka izany, ny fanarenana ny tetezana ihany no vahaolana maharitra tokony atao. Miantoka ny fifandraisana isam-paritra ireto fotodrafitrasa roa lehibe ireto, indrindra fa ny fivezivezen'ny olona sy ny vokatra ary ireo entana maro samihafa. Nantitranterin'ny Praiminisitra ny tsy maintsy hirosoana ao anatin'ny fotoana fohy amin'ireo fanomanana rehetra takiana amin'ny asa fanarenana, mba hahafahana manomboka haingana ny asa. Nanamarika ny tenany fa hitondra vahaolana maharitra amin'ny alalan'ny tantsoroka rehetra izay ilaina ny fitondram-panjakana, mba hamaly ny filàn'ny mponina mifanaraka amin’ny zava-misy eto amintsika.
Etsy ankilany dia nisy ihany koa ny fanambarana fa hatsangana eo amin’ny renirano Mahavavy ny tetezana vaovao haharitra 100 taona mahery. Ity fotodrafitrasa ity izay hanatsara ny fifamoivoizana sy hiantoka ny fiarovana maharitra ho an’ny taranaka fara mandimby.

Fifampidinihana hamahana ny olana mampitarazoka

Antony maro samihafa no voalaza fa mampitarazoka ny asa. Notanterahina nandritra ity fitsidihana ity araka izany ny fifampidinihana teo amin’ireo manampahefana isan-tsokajiny sy ireo teknisianina ao an-toerana (MTP, Agence Routière, Colas, Banque mondiale). Nisy ny fitondrana ireo hevitra rehetra hamahana ny olana ara-teknika, sy ara-pitaovana ary ara-bola, mba ahafahana manafaingana ny fanombohan’ny asa. Nanamafy ny fanohanany an’i Madagasikara amin’ny fanatontosana ireo fotodrafitrasa goavana roa ireo ny Banky Iraisampirenana, ary naneho ny fahavononany ihany koa hanampy ny Firenena malagasy amin'ireo asa mitondra fampandrosoana.

Lire la suite

Articles Similaires