« Protocole de Maputo » : Naka traikefa tamin’ireo firenena efa nankatoa izany i Madagasikara
Mifanindran-dalana amin’ny fivoriana an-tampony CSW69 izay tontosaina any New York, dia nisy ihany koa ny fivoriana an-databatra boribory mahakasika ny Fifanarahan’i Maputo (Protocole de Maputo), nokarakarain’ny IPAS Afrique Francophone sy ny IPAS RDC, ary nandraisan’ireo solontena avy amin’ny Vondrona Afrikanina anjara.
Protocole de Maputo ho an’ny zon’ny vehivavy
Mbola mitohy hatramin’ny 21 martsa 2025 ny fivoriambe andiany faha-69 ho an'ny Kaomisiônina misahana ny anjara toeran'ny Vehivavy ao anatin'ny Firenena Mikambana na CSW69, izay tontosaina any New York ary andraisan’i Madagasikara anjara. Nifanindran-dalana tamin’izany ny fivoriana an-databatra boribory mahakasika ny Fifanarahan’i Maputo, izay notanterahina ny 15 martsa 2025, tao amin’ny biraon'ny Solontena maharitr'i Madagasikara eo anivon’ny Firenena Mikambana ao New York.
Raha tsiahivina, ny Fifanarahan’i Maputo dia fifanarahana iraisam-pirenena ho an'ny mpikambana eo anivon’ny Vondrona Afrikanina. Ahitana andininy miisa 32 izany, izay mamaritra ireo zo tokony hositrahan’ny vehivavy eo amin’ny sehatra marolafy, toy ny famongorana ireo herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy, ny zo ara-pananahana, ny zo ho amin'ny fananan-tany sy ny fandovana, ny zo handray anjara amin’ny tontolo politika... Nanao sonia ity fifanarahana ity i Madagasikara tamin’ny taona 2004, saingy mbola tsy niroso tamin’ny fankatoavana (ratification), izay miantoka ny fampiharana azy ho lalàna velona mihatra eto amin’ny tany sy ny firenena.
Firosoana amin’ny fankatoavana
Araka ny tatitry ny ministeran’ny Mponina sy ny Firaisan-kina, dia nahafahana nihaino ny traikefan’ireo firenena efa nankatoa ity fifanarahana afrikanina ity, ny latabatra boribory notontosaina. Isan’izany ny Repoblika Demokratikan'i Congo. Noresahina ihany koa ireo sakana mahatonga ny firenena sasany mbola tsy miroso amin'izany. Nanararaotra ity dingana iray vita ity ireo mpisehatra isan-tsokajiny, ka nanamafy ny fangatahana mba hirosoan’i Madagasikara amin’ny fankatoavana ny Fifanarahan’i Maputo. « Angatahana ny hanombohana ny zotram-pankatoavana ny Fifanarahan’i Maputo, mba hahatanteraka ny fampandrosoana maharitra sy hahafahana mampanjaka ny fampiatiana. Zava-poana ny tanjon'ny fampandrosoana rehetra raha ny 51%-n'ny mponina mbola tsy misitraka ny zony feno », hoy Raveloarinanja Marcelle Dominique, mpiara-manorina ny fikambanana Mentor ECCE (Éducation, Civisme, Citoyenneté et Environnement). « Manamafy hatrany ny fahavononana hitondra ny anjara biriky hahatongavana amin’ny fankatoavana ny Protocole de Maputo », hoy kosa i Johasy Eleonore solombavambahoaka teo aloha sady efa filoha lefitry ny Conseil National des Femmes de Madagascar.
Nitarika ny delegasiônina malagasy, nandray anjara tamin’ity dinika an-databatra boribory ity, ny minisitry ny Mponina sy ny Firaisankina, Aurélie Razafinjato ; ireo Solombavambahoakan'i Madagasikara, Raby Savatsarah Ain'Harimanga Gabrielle, voafidy tao Farafangàna, Faritra Atsimo Atsinanana, sy Clarisse Manjary, voafidy tao Ivohibe Bara, Faritra Ihorombe.