Mahajanga : Saron’ny polisy ny rongony milanja 32,5 kg
Ravan’ny Polisimpirenena avy ao amin’ny Unité d’Intervention Rapide (UIR) Mahajanga ny marainan’ny 16 Martsa 2025 tao amin’ny Terrain Mena, ny tambazotra mpivarotra zava-mahadomelina ao Mahajanga.
Tafiditra ao anatin’ny vaindohan-draharahan’ny mpitandro ny filaminana ny famongorana ny zava-mahadomelina eto amin’ny firenena. Vokadratsy mantsy no entin’ireny karazam-bokatra mahadomelina ireny satria manimba saina ka mampanaonao foana ny mpandray azy. Tsy vitsy ireo sahy mandroba, mamono na mandratra olona, manolana sy manao asa ratsy isan-karazany.
Misy ihany koa ireo lasa adala tsotr’izao. Samy voaheloky ny lalàna avokoa na ny mpamokatra, na ny mpivarotra na ny mpividy.
Rongony tanatina baoritra lehibe
Nafenina tao anaty baoritra lehibe miisa efatra ny rongony milanja 32,5 kilao, nozarazaraina tanatina fonosana 165. Tao an-tranona lehilahy iray tao Aranta no nahatratrarana ireo rongony ireo; Rehefa natao ny fanadihadihana dia saika amidy ireo rongony ireo. Nanoro ny mpiara-miasa aminy ihany koa io lehilahy io. Misy mianadahy izay mpiara-miombon’antoka aminy tamin’ity raharaha ity.
Nosamborina izy telo mianadahy ireto ary notanana vonjimaika eny anivon’ny kaomisaria hanokafana fanadihadiana momba ity raharaha fitazonana sy fivarotana rongony ity. Mbola mitohy ihany koa ny fanadihadihana, hahafantarana ireo mpamatsy entana azy ireo.