Fitsarana : Misokatra ho an’ny rehetra ny « Guichet unique de greffe » ao Antsirabe
Lanonam-pitsarana lehibe no notanterahina tao Antsirabe, omaly, alakamisy. Notokanana tamin’izany ny « guichet unique de greffe » tao an-toerana. Nanatrika sy nitarika ny lanonana tamin’izany ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa Rakotomandimby Benjamin Alexis.
Fanafainganana ny fandraisana an-tanana
Natao indrindra hanatsarana ny raharaha ara-pitsarana sy hanomezana tolotra haingana sy mahomby ho an'ny vahoaka manan-draharaha eny amin’ny fitsarana io birao io. Navondrona ho amin’ny toerana iray ny sampan-draharaha rehetra ilain’ny vahoaka mba hanamora ny filàny. Azo heverina hampihena ny fotoana lany sy ny sarany mifandraika amin'izany ihany koa ity toerana ity. Etsy ankilany dia mbola hisoroka ny kolikoly sy ny fanararaotana ataon'ny mpanelanelana tsy ara-dalàna ihany koa ny fisian’ity toerana ity satria hisitraka torohay mazava sy ofisialy ireo mpila raharaha.
« Izao no atao dia mba hanakaikezana hatrany ny vahoaka, hampitomboana ny fahatokisan'izy ireo ny Fitsarana, amin'ny rafitra mangarahara sy mahomby, amin'ny tolotra mitovy sy ara-drariny, ka mampiroborobo ny fitovian-jo eo amin'ny manan-draharaha », hoy ny fanazavana avy amin’ny Minisitera.
Nahazo filohan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany vaovao
Ankoatra ny fanolorana io birao io dia notanterahina ny fotoam-pitsarana manetriketrika, nametrahana amin'ny toerany, an'Andriamatoa Razafimarolahy André ho Filohan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Antsirabe.
Nisongadina nandritra ny fandraisam-pitenenan’ity farany ny fanentanana ny ady amin’ny kolikoly, ady amin'ny herisetra mifototra amin'ny maha lahy na maha vavy, ny fakana takalon'aina sy ny fanafihana mitam-piadiana, ady amin'ny fanondranana biby arovana, ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana, ny ezaka fanatsarana ny tahan'ny olona voafonja vonjimaika manoloana ny olona voafonja raikitra, ny fanomezana lanja ny fiaraha-miasa amin'ireo mpiara-miombon'antoka toy ny Mpisolovava sy ireo maro hafa. Isan’ny asa ho tanterahina ihany koa ny fanakaikezana ny vahoaka amin'ny alalan'ny fampiroboroboana ny fitsarana mitety vohitra, toy ny fanolorana kopia faobe.