• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Dermophil
Image
Fahalalana Ankapobeny

Molotra mainty noho ny fifohana sigara : inona no atao mba hampazava molotra ?

12/01/2025 15:00 © Moov

Toa matroka na mainty mihitsy aza ny molotr'ireo mpifoka sigara. Matetika dia mora fantatra ireo mpifoka noho io lokon'ny molotra io. Inona àry no atao mba hampazava indray ny lokon'ny molotra ?

Ny "nicotine" no mahatonga ny molotra ho matroka na ho mainty. Mihamatroka tsikelikely ny lokon'ny molotra, ary lasa mainty mihitsy rehefa mifoka sigara an-taonany ilay voakasika. Ho an'ireo sady mifoka sigara no misotro toaka, somary votsotra ny molotra, ka manopy mavokely antitra na mena.

Lokomena azo antoka

Azo atao tsara ny mampiasa lokomena mba hanakonana ny molotra matroka. Misy karazany tsy miala mihitsy na anaty rano aza. Entanina nefa isika mba tsy hampiasa afa-tsy vokatra azo antoka (authentique). Raha lokomena misy akora simika manimba molotra mantsy no safidiana dia mety handoro mihitsy. Hitarika aretina hafa izany rehefa ela ny ela.
Mba hitsaboana ny molotra, tsara raha manao "pause", izany hoe tsy manao lokomena, rehefa ao an-trano. Esorina amin'ny "démaquillant" mihitsy ny lokomena isan-kariva.

Fangaro natoraly

Tsy ny rehetra nefa no tia sy mahazaka lokomena. Tsy voatery mandany vola be ihany koa nefa vao misitraka "soins" tena mandaitra. Azo atao ny mikarakara fangaro vita amin'ny tantely sy vahona. Atao mitovy ny fatrany ka apetraka eo amin'ny molotra mandritra ny 10 hatramin'ny 15 minitra. Kobanina amin'ny rano matimaty avy eo. Azo atao maraina sy hariva, mba hahazoana vokatra haingana.
Ilaina ny mampiasa "Labello" na "gloss" hydratant azo antoka. Tsy misy lokony izy ireny fa mahamandina molotra fotsiny.

Fisotroana rano

Manadio ny taova any anaty sy ny hoditra ny rano. Mba hampiverina indray ny lokon'ny molotra, tsara raha mahalany rano 2 litatra isan'andro. Tsy azo asolo ny rano ny ranomboankazo, ny gilasy na ny dite sy kafe. Tena tsara raha ahena na ajanona mihitsy ny fihinanana siramamy na zava-mamy.

Lire la suite

Articles Similaires