• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Istock
Image
Fahalalana Ankapobeny

Zavoka: Akora natoraly manampy amin’ny fanamandinana ny hoditra

09/01/2025 14:16 © Moov.Mg

Maro ireo akora natoraly mitondra vokatsoa maro amin’ny fikarakarana ny hoditra ka anisan’izany ny zavoka. Ny « acides gras essentiels » sy ny vitamina tehiriziny no tena ilaina ao aminy. Araho eto ary ny fomba fampiasana ny zavoka mba hanamandinana ny hoditra.

Ireo vokatsoa entin’ny zavoka eo amin’ny hoditra

Voankazo iray manankarena vitamina A, C, E ary B6 ny zavoka. Ahitana otrikaina sy « acides gras essentiels » amin’ny tahany ambony ihany koa ao aminy. Ireo singa natoraly ireo dia miasa amin’ny fanomezana sakafo sy ny fanamandinana ny hoditra. Manana fiasa « antioxydant » ihany koa ny zavoka ka mandaitra amin’ny fisorohana ny mony, ny tsatsakaotra ary ny vakivaky amin’ny hoditra. Ankoatra izay dia manampy amin’ny fanadiovana ny hodi-tava ary manazava ny hoditra ny fizarana mampiasa azy.

Ireo fomba fampiasana ny zavoka hikolokoloana ny hoditra sy ny hodi-tava

Maro ireo fomba azo ampiasana ny zavoka hikolokoloana ny fahasalaman’ny hoditra sy ny hodi-tava. Anisan’ireo fomba tsotra sy mandaitra afaka atao ny :

Masque vita amin’ny zavoka sy ny voasary makirana

Ny fifangaroan’ny zavoka sy ny voasary makirana dia misoroka ny famokaran’ny hoditra « sébum » be loatra. Ny « sébum » be loatra tokoa mantsy dia manentsina ny mason-koditra ka mahatonga ny fiforonan’ny mony sy ireo tasitasy amin’ny tarehy. Tsotra ny fanaovana ity masque zavoka sy voasary makirana ity. Tetehana ny nofon’ny zavoka 1 ary asiana ranon’ny voasary makirana 2 sotro fihinanana. Potserina amin’ny sotro rovitra ary afangaro tsara dia vita. Ahosotra eo amin’ny tarehy efa avy nodiovina tsara dia avela hilona mandritra ny 15 minitra avy eo kobanina amin’ny rano matimaty. Ireo manana « peau grasse » sy « peau mixte » no tsara mampiasa azy ity.

Masque zavoka sy tantely

Ho an’ireo manana « peau sèche » na hoditra mora makiana dia ny masque zavoka sy tantely no tsara ampiasaina mba hanamandinana izany. Raha hanamboatra ity masque ity dia potserina miaraka ny nofon’ny zavoka 1 sy ny tantely 2 sotro fihinanana. Atao mifangaro tsara dia vonona. Io fangaro io no ahosotra eo amin’ny tarehy efa madio tsara. Avela hipetraka eo mandritra ny 20 minitra. Rehefa vita izay dia kobanina amin’ny rano matimaty. Azo asolo menaka oliva 1 sotro fihinanana ny tantely raha toa ka tena makiana be ny hodi-tava. Mampalefaka sady manome sakafo azy ny fampiasana ny masque zavoka sy menaka oliva isan’andro.

Lire la suite

Articles Similaires