Kolo endrika : Fikafika mampangirana volo
Fanirian’ny vehivavy maro ny hanana volo salama sy mangirana tsara. Rehefa andro mafana toy izao dia lasa toa makiana sy toa tsy mety mangirana ny volo, eny na dia avy nanao volo aza. Ireto ary misy torohevitra natoraly manampy mba hampangirana sy salama tsara ny volo.
Safidiana tsara ny fihogo na borosy hibangoana volo
Mbola maro tokoa ireo tsy mahafantra fa tena manandanja amin’ny fikarakarana ny volo ny karazana fihogo na borosy hibangoana azy. Ireo karazana borosy « poils de sanglier » dia anisan’ireo tsara ampiasaina noho izy manaja ny karazam-bolo sy mampangirana azy kokoa. Ireo fibangoana volo vita amin’ny plastika, vy na « synthétique » dia mety manimba ny taom-bolo, indrindra ho an’ny karazam-bolo mora tapatapaka sy makiana.
Kobanina amin’ny rano mangatsiaka ny volo
Isan’ireo torohevitra mandaitra indrindra raha te hampangirana ny volo ny fizarana manakobana izany amin’ny rano mangatsiaka. Izany hoe, rano matimaty no hanasana ny volo ary amin’ny farany vao kobanina rano mangatsiaka. Ny fanaovana izany dia mampikatona ny « écailles » ny singam-bolo ka mahatonga azy hangirana sy salama kokoa.
Mizatra mampiasa vokatra natoraly hikolokoloana ny volo
Efa maro tokoa ankehitriny ireo misafidy mampiasa akora natoraly hikarakarana ny volo amin’ny andavanandro. Marina fa mety ahitana vokatra tsara sy malaky ny sasany amin’ireo vokatra misy akora simika fampiasa amin’ny volo. Rehefa mandeha kosa nefa ny fotoana dia mety hisy fiantraikany ratsy ireo akora ireo ka hanimba ny kalitaon’ny volo. Ny vokatra natoraly kosa etsy andaniny mety maharitra kokoa vao ahitana vokatra, nefa kosa salama sy mangirana tsara ny volo rehefa mahavatra mampiasa izany. Mazava ho azy fa mila fantarina ireo akora natoraly sahaza amin’ny karazam-bolo vao mirona amin’izany.
Elanelanina ny fotoana fanasana volo
Mba hitandrovana ny fahasalaman’ny volo dia mila elanelanina ny fotoana fanasana volo. Tsara raha indray mandeha isan-kerinandro ihany no manasa loha. Ny hodi-doha tokoa mantsy dia mamoaka singa iray atao hoe « sébum ». Mandray anjara amin’ny fanamandinana sy fiarovana ny singam-bolo izy io. Miala miaraka amin’ny loto ny « sébum » rehefa manasa loha ka raha sasana matetika loatra ny volo dia tsy mahavita manao ny asany tsara ny « sébum ». Ankoatra izay dia misy fiantraikany amin’ny fahasalaman’ny volo ny « calcaire » amin’ny rano.