• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Lavilab
Image
Fahalalana Ankapobeny

Andro mafana : torohevitra mba hampatory tsara

08/01/2025 11:54 © Moov.Mg

Rehefa fahavaratra toy izao dia maro amintsika no sarotra mahita tory sy tapa-tory matetika vokatry ny hafanana. Ahoana ary ny fomba atao hiadiana amin’ny hafanana manevokevoka amin’ny alina mba hatoriana tsara ? Araho ary ireo torohevitra hahitana tory haingana kokoa sy hampatory tsara amin’izao andro mafana izao.

Atao mangatsitsiaka ny efitrano fatoriana

Ny hafanana mandritra ny alina no isan’ny maharatsy torimaso sy tsy mampahita tory rehefa vaninandro fahavaratra toy izao. Mba hanatsarana ny torimaso ary dia mila atao mangatsitsiaka ny efitrano fatoriana. Tsotra ny fomba atao. Sokafana midanadana tsara ny varavarankely rehefa vao maraina iny, izany hoe rehefa mbola mamanala iny ny rivotra. Izany dia mba hampidirana tsio-drifotra mangatsitsiaka ao amin’ny efitrano. Manampy betsaka ihany koa ny fampiasana « ventilateur » ho an’ireo afaka mividy sy mahazaka mampiasa izany.

Hidiana ny « rideaux » rehefa midanika be ny masoandro rehefa atoandro

Ilaina ny fampidirana ny taratry ny masoandro ao amin’ny efitrano mba hanesorana ny hamandoana sy hamonoana ireo « acariens ». Rehefa midanika be kosa nefa ny masoandro dia mila ferana ny fampidirana ny hafanan’ny masoandro ao amin’ny efitrano. Mijanona ao tokoa mantsy io hafanana io ka vao maika manampy ny hafanana mandritra ny alina. Tsara arak’izany raha hidiana ny « rideaux » amin’ny varavarankely rehefa mamay be iny ny andro. Avela hisokatra kosa nefa ny varavarankely mba hivezivezen’ny rivotra ao amin’ny efitrano.

Atao izay mampangatsitsiaka ny eo am-piandriana

Raha sarotra mahita tory amin’ny alina vokatry ny hafanana be loatra dia mila atao izay mampangatsitsiaka ny eo am-pandriana. Maro ireo fikafika azo atao. Raha manana vata fampangatsiahana dia atao anaty « sachets » ny fonon’ondana avy eo atsofoka ao rehefa alohan’ny hatory. Azo atao ihany koa ny manisy rano mangatsiaka be anaty tavoahangy ary atao eo akaiky io rehefa matory amin’ny alina mba hampangatsitsiaka.

Misotro rano tsara mandritra ny tontolo andro

Averina ombieny ombieny ny maha zava-dehibe ny fisotroana rano tsara mandritra ny tontolo andro. Rehefa ampy rano ny vatana dia afaka mitazona ny hafanana 37°C hatrany na dia mamay be aza ny andro. Ferana na fadiana ny fisotroana toaka satria ny toaka dia mahatonga tsy fahampiana rano ao amin’ny vatana ka mety vao maika hahasarotra ny fahitana tory amin’ny alina. Tsy mety kosa nefa ny misotro rano be loatra rehefa alohan’ny hatory satria mety te hipipy matetika ka lasa tapa-tory.

Lire la suite

Articles Similaires