Trano maloto sy mikorontana : Mariky ny fikorotanan-tsaina, mahatonga fahasorenana
Marika ivelan'ny fikorotanan-tsaina ny fikorotanana ao an-trano, na dia azo avy amin'ny fahazarana aza izany matetika. Ny tena loza nefa dia sorena ho azy sy tsy misy fifaliana ny olona rehefa mikorontana avokoa izay rehetra jereny.
Fahadiovana sy filaminana, ezaka goavana mampandroso
Samy mora kizitina sy sorisorena na ny ray aman-dreny na ny zanaka rehefa maloto sy mikorontana ny ao an-trano. Matetika moa dia mifanome tsiny ny ao an-tokantrano, indrindra rehefa tsy misy mpanampy mandamina ny trano. Samy tompon'andraikitra avokoa nefa na ny kely na ny lehibe, na misy olona manampy aza. Diso ny fiheverana fa mila manana tranobe sy fanaka lafovidy vao tokony hilamina. Tsy antony tsy andaminana ihany koa ny fananana zaza na ankizy ao an-trano.
Ireto àry misy voka-dratsin'ny loto sy ny korontana ao an-trano :
-Tsy fahitan-javatra : Rehefa tsy misy toerany ny zava-dehetra dia sarotra ny mitady azy. Mety ho taralava na tsy mahavita midio sy mikarakara sakafo rehefa lany fotoana amin'ny fitadiavana akanjo, lakile, vola, sns. Mahatonga ady mihitsy izany.
-Fahasimban-javatra : Mora simba na ny trano na ny fanaka na ny zavatra hafa rehefa tsy voakojakoja. Raha misy rano sy vovoka misolitika ohatra ny fanaka dia mora lo sady miova loko ny tongony. Rehefa mandomando ny trano sady maloto dia vetivety dia mibontsina sy miepaka ny rindrina. Tsy adino fa mety hisy bobongolo sy lasa arafesina ireo fitaovan-dakozia misy menaka sy saosy nefa tsy sasana elaela.
-Fitaratra ratsy ho an'ny zanaka : Ny fanaon'ireo ray aman-dreny ihany no ataon'ny zanaka. Tsy ho tia filaminana mihitsy ireo zanaka zatra miaina ao anaty trano mikorontana sady maloto. Lasa "norme" amin'izy ireo ny mahita ny akanjo miparitaka etsy sy eroa, ny vilany tsy misasa sy ny vovoka manarona ny fanaka ao an-trano. Ho sarotra ny handresy lahatra ny zanaka mba handamina ny efitranony raha efa be korontana mihitsy ny iray trano.
-Aretina : Rehefa mikorontana loatra ny trano sady mitambatra ny loto dia tonga ho azy ny aretina. Lasa tsy ara-pahasalamana intsony na dia sakafo karakaraina ao an-trano izao aza. Mihena ny hery fiarovana satria mety misy vovoka sy bakteria maro ireo fanaka sy fitaovana isan-karazany. Mety ho avy ihany koa ireo biby tia loto toy ny kadradraka sy ny voalavo.
-Fahafaham-baraka : Sarotra ny manadio sy mandamina tanteraka raha efa zatra korontana, eny fa na misy vahiny mampilaza mialoha aza. Henatra nefa ny mandray olona amin'ny trano maloto. Voa maika mampieritreritra raha mamirapiratra ery ny mpianakavy rehefa hiasa sy hiangona saingy mahamenatra ny ao an-tokantranony.
-Fandaniam-poana : Tsy azo an-tsaina matetika ny zavatra ananana rehefa mikorontana be. Manjary mividy foana ireo zavatra ilaina, na dia efa ananana aza saingy ratsy toerana. Misy ohatra ireo mividy akanjo matetika, satria toa tsy misy anaovana amin'ny dia isan-karazany. Ny tena marina nefa dia maro ireo akanjo tsy mipetraka amin'ny fitoerany sy tavela any anaty fitoeran-damba maloto ka lasa tsy voakitika intsony.
Fiaraha-mientana amin'ny fahadiovana sy ny filaminana
Araka ny efa nambara tetsy ambony, tompon'andraikitra avokoa ny ao an-trano. Tsy ankinina amin'ny mpanampy ny fanadiovana sy ny fandaminana tanteraka. Tokony samy mandray anjara avokoa na i dada, na i neny, na ny ankizy. Ny ray aman-dreny ohatra dia miantoka ny fandaminana sy ny fahadiovan'ny efitranony, toy izay ihany koa ny ankizy tsirairay. Raha misy mpanampy dia ny efitrano fandraisam-bahiny sy ny lakozia no anjarany. Tsy manakana ny lehibe hanao izay vitany nefa izany.
-Tokony amboarina ny fandriana isa-maraina vao mifoha. Tsy mety ny hoe mbola hatoriana ihany ny fandriana ny hariva ka avela eo fotsiny ;
-Avoaka ho azon'ny masoandro ny lamba firakotra ;
-Sasana indroa na indray mandeha isam-bolana ny lamba firakotra, ny ondana, ny tapis, ny rideaux, ny coussins, ny serviettes ;
-Asiana fitoerany ny zavatra rehetra, any amin'ny efitra tsirairay ;
-Ampiasaina ireo fitaovana sy vokatra fanadiovana isan-karazany, mba isorohana ny bibikely ;
-Ariana isan'andro ny fako, indrindra raha misy potika sakafo ;
-Kojakojaina tsara na ny trano na ny fanaka : azo atao ohatra ny mamerina mandoko rindrina isan-taona.
-Azo atao tsara ny mividy ireny karazana "articles de rangement" ireny, mba hampirimana mora foana ny kilalao, ny firavaka, ny fitafiana, ny kiraro, sns.
Rehefa milamina sy madio ny ao an-trano dia milamina ho azy ny saina. Tony tsara ny rehetra miatrika ny asa sy ny fianarana, na eo aza ny fahasarotana isan-karazany. Raha sanatria ka tsy mety "folaka" mandamina sy manadio mihitsy, tsara ny manantona "psychologue" satria mety misy olana manokana tsy mety mivaha na alahelo anaty tsy ambara olona.
Tandremana ihany koa nefa ny trano madio ivelany
Tena mahafinaritra ny mahita trano madio, mipetrapetraka tsara na ny fanaka na ny haingo isan-karazany. Tsy vitsy nefa ireo madio ivelany ihany : izay taza-maso ihany no diovina, nefa vovoka be sy korontana tanteraka ny any ambany seza sy any anaty "armoires". Misy ohatra ireo mitahiry vilany sy vilia maloto ny anaty garde-manger, ka tsy sasana mihitsy raha tsy afaka andro na herinandro vitsivitsy. Rehefa manadio izany dia mila asesy tsara, ary tsy akatona mihitsy ny fanaka fitoeran-javatra raha tsy madio sy milamina ny ao anatiny. Akanjo mivalona tsara ohatra no atao any anaty "armoire" fa tsy akanjo miforiporitra.
Mba tsy handany fotoana firy ny fandaminana sy ny fanadiovana, ireto misy torohevitra vitsivitsy :
-Azo atao ny manao fanadiovana ankapobeny fotsiny isan'andro. Mila mizatra kosa nefa mamerina ny zavatra avy raisina amin'ny fitoerany. Tokony asiana fitoerany ireo lamba na fitaovana maloto
-Manao "grand-ménage" isaky ny faran'ny herinandro ka diovina avokoa ireo faritra sarotra takarina. Avoaka sy alamina ihany koa ny any anaty fitoeran'entana rehetra
-Atokana sy tsy tehirizina intsony ireo zavatra tsy miasa.