• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Metfp
Image
Vaovao

Fampiofanana maimaimpoana: Aman'arivony ny olona nanatrika ny "marathon des formations"

25/10/2024 10:15 © Moov

Fanamboarana savony sy labozia maimaimpoana no hetsika nokarakarain'ny Ministeran'ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arak'asa. Nomeny ny anarana hoe "marathon des formations" izany ary notanterahina tetsy Anosy omaly. Olona miisa hatramin'ny 1 715 no tonga niatrika izany, miandahy miambavy.

Hanatsarana velon-tena

Ho fanampiana ny olona tsy an'asa hampitomboany ny velon-tenany no tena tanjon'ny Fampiofanana. Natolotra indrindra mantsy izy ity ho an'ireo olona tsy manana asa. Teo ihany koa anefa ny fampivelarana ny fahaiza-manaon'ny tsirairay, amin'ny famokarana vokatra azo amidy sy manatsara ny toe-piainan'ny vahoaka. Nanome voninahitra ny fanokafana izao Marathon de formation izao Ramatoa Ministra, Rasoloarisoa Marie Marcelline, Andriamatoa Andriamananoro Augustin, Filoha Lefitry Antenimierampirenena no sady Solombavambahoaka Tana I, ny solotena avy ao amin'ny Faritra Analamanga ary ny solotena avy amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Nandritra ny fandraisam-pitenenany no nanamafisan'ny Minisitra fa ho haparitaka manerana ny Nosy ny fampiofanana toy izao. " Fanombohana ihany izao atao izao fa ezahina ny hanolotra fampiofanana ho an'ny sehatra rehetra sy manerana ny Nosy ", hoy ny Minisitra.

Ho amin'ny fampandrosoana

Anisan'ny fepetra iray takiana amin'ny fampandrosoana ny fiahiana ny maha-olona. Raha tsiahivina dia tafiditra indrindra ao anatin'ny andry lehibe ho an'ny fampandrosoana ny firenena izay napetraky ny Fitondram-panjakana izany. Ankoatra ny fanomezan-danja ny mahaolona dia ho fanatsarana ny sosialin'izy ireo ihany koa ny fisian'ity fampiofanana ity. Araka izany, lehibe ny tanjona dia ny hitondra fampandrosoana ho an'ny firenena amin'ny alalan'ny fampandrosoana isan-tokantrano. Raha ho an'ity Minisitera ity manokana dia efa natomboka teny Isotry ny fampiofanana maimaimpoana. Nitohy teny Anosibe izany ary izao mbola mitohy amin'ny "marathons des formations" izao indray. "Ny olo mahay raha, tsy very mandeha", izany moa no teny enti-manentana izany fampiofanana izany ka tsy nisalasala ny Minisitra ny amin'ny hitondran'ireo mpandray anjara namana amin'ny fampiofanana andiany manaraka. Marihina fa nozaraina mari-piofanana avy hatrany ireo olona rehetra niatrika ny fampiofanana.

Lire la suite

Articles Similaires