• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Adn
Image
Vaovao

Gerard Andriamanohisoa: « Manana tetikasa maro hampananana trano fonenana ny Malagasy ny Fitondram-panjakana »

25/10/2024 09:19 © Moov

Vinan'ny Fitondram-panjakana amin'izao fotoana izao ny hampitombo ny fisitrahan'ny Malagasy trano fonenana. Nandritra ny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny "Salon International de l'habitat" omaly no nanamarihan'ny Sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana fa maro ireo tetikasa hanatrarana izany tanjona izany. Miroborobo rahateo ny fitombon'ny mponina ka raisin'ny Fitondram-panjakana ho zava-dehibe izany fampisitrahana trano fonenana izany amin'izao fotoana izao.

Trano fonenana mahaleo tena

Anisan’ny nampiavaka ity hetsika tamin’ity taona 2024 ity ny fanorenana trano fonenana mahaleo tena sy mamaly ny filàna amin’izao fotoana izao. Raha ny hita mantsy amin’izao dia tsy ny tao-trano fotsiny ihany no voaresaka raha hanorina trano fonenana. Ao anatin’izany ny teknolojia vaovao, ny herinaratra, ny rano sy ny angovo azo hampiasaina mba hahafahana manangana trano mahaleo tena (maison autonome). Hampifanarahana izay fironana izay ihany koa ny trano fonenana ho atsangana ho an’ny Malagasy, raha ny fanazavan’i Gerard Andrimanohisoa hatrany. Araka izany, trano mahaleo tena indrindra no ezahina ho atsangana amin’ireny toerana efa novinavinaina. Ao anatin’izany ny eny Fieferamanga sy ny eny Imerintsiatosika. Samy tetikasan’ny Filoham-pirenena ao anatin’ny fandaharan’asa Ankohonana Miarina izany.

Ho jifain’ny daholo be

Ao anatin’izany rehetra izany dia natao indrindra ho afaka jifain’ny rehetra ny trano fonenana izay ho amboarina. Amin’ny ankapobeny mantsy dia nohamoraina ny fahazoana azy amin’ny alalan’ny fampiasana vokatra vita malagasy. « Tokantrano miisa hatramin’ny 1 670 no afaka hisitraka ny trano eny amin’ireo site roa an’ny Ankohonana miarina. Nohamoraina ny fisitrahana raha ny fitaovana izay ampiasaina dia efa nokajiana ho amin’izany. Ao anatin’izany ny fampiasana brique terre comprimée ary ahena ihany koa ny fampiasana simenitra », hoy hatrany ity Sekreteram-panjakana ity. Ankoatra ny fahamorana dia natao indrindra hamaly ny filàna amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny fampihenana ny fampiasana biriky tanimanga. Hitohy ny ezaka rehetra amin’ny fanorenana trano. « Efa andalam-panatanterahana ato ato izao ny fanarenana « cité » 40 ha izay hapetraka eny Avaradrano. Ao anelanelan’ny RN3 sy ny lalambe migodana no hametrahana izany », hoy hatrany ny fanazavana. Etsy andaniny dia mbola hitohy manerana ny Nosy ny fananganana trano mora sy « immeuble mora ».

Lire la suite

Articles Similaires