• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Unicef
Image
Vaovao

Aretina lefakozatra : Firenena marefo 31 no tena ahitana azy, isan’izany i Madagasikara

24/10/2024 16:30 © Moov.Mg

Mbola ezaka iaraha-manana maneran-tany ny fanafoanana ny aretina lefakozatra, na ny « polio ». Ireo firenena tena mahantra no tena mbola ahitana azy, ka isan’izany i Madagasikara. Marihina androany 24 ôktôbra ny andro maneran-tany iadiana amin’ny lefakozatra.

Tranga nitombo avo roa heny

Monina any amin’ireo firenena 31 sokajiana ho marefo, noho ny ady, na noho ny antony hafa, toy ny krizy ara-tontolo iainana, ny 85% amin’ireo ankizy 541 isa tratran’ny aretina lefakozatra tamin’ny taona 2023, araka ny famakafakana nataon'ny Tahirin’ny Firenena Mikambana ho an’ny Ankizy (UNICEF), ho an’ity andro maneran-tany iadiana amin’ny lefakozatra ity. Ho an’i Madagasikara manokana, araka ny antontan’isan’ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana (OMS), dia 380 isa ny trangana lefakozatra fantatra, teo anelanelan’ny taona 2020 sy ny volana jona 2024. Nambaran’ny UNICEF fa nitombo avo roa heny, na maherin’izany aza, ny trangana lefakozatra maneran-tany, tao anatin’ny 5 taona. Nidina ho 70% anefa ny tahan’ny fanaovam-baksiny, raha efa nahatratra 75 izany teo aloha. Tanjona kosa ny hanatrarana taham-panaovam-baksiny miady amin’ny lefakozatra hatramin’ny 95% fara-fahakeliny, maneran-tany.

Mitohy ny ady

Mety hampirongatra indray ny valanaretina lefakozatra ny tsy fanaovana vaksiny, hoy hatrany ny UNICEF. Noho izany indrindra, dia niezaka nanamafy ny hetsika fanaovam-baksiny faobe tany amin’ireo firenena mbola marefo eo anatrehan’io aretina io, ny UNICEF maneran-tany. Voakasik’izany isika eto Madagasikara, izay vao ny 15 hatramin’ny 19 ôktôbra teo no nanatanteraka hetsika fanaovam-baksiny faobe, miady amin’ny kitrotro sy miady amin’ny lefakozatra, niaraka tamin’ny ezaka fanatrarana ny fanaovam-baksiny ho an’ireo ankizy mbola tsy nisitraka izany mihitsy.

Sady mitera-doza ho an’ny firenena mbola ahitana azy ny aretina lefakozatra, no loza mitatao amin’ireo firenena mifanila aminy ihany koa ny firongatry ny aretina, hoy i Catherine Russell, tale jeneralin’ny UNICEF. Noho izany dia nanamafy izy fa tsy maintsy tohizina ny ady amin’ity areti-mandoza ity, mandrapahafoana azy tanteraka.

Lire la suite

Articles Similaires