• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fisitrahan’ny zaza ny vaksiny : Vonona handinika ny teti-bolam-panjakana ireo solombavambahoaka

24/10/2024 19:17 © Moov.Mg

Manana andraikitra goavana ny Solombavambahoaka, amin’ny fandaniana ny volavolan-dàlana mifehy ny tetibolam-panjakana, mba hahafahan'ny Malagasy misitraka ny zony. Eo amin'ny lafiny fahasalamana, dia mbola misy ezaka tokony atao ny fampiakarana ny teti-bola atokana ho an'ny vaksiny.

Fampiakarana ny teti-bola

Nihaona teny amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza androany maraina, ireo parlemantera, ny firaisamonim-pirenena ary ireo mpiara-miombon'antoka ara-teknika sy ara-bola, toy ny solontenan’ny UNICEF sy ny OMS, izay voakasiky ny sehatry ny fanaovam-baksiny. Mifanandrify indrindra amin'ny fivoriana ara-potoana faharoan'ireo Solombavambahoakan'i Madagasikara izany, izay miompana indrindra amin'ny fandinihana ny volavolan-dàlana lasitra mifehy ny tetibolam-panjakana ho an'ny taona 2025. Tanjon'ny atrikasa notontosaina androany, araka ny fanazavan'i Beninandiana Willy, sekretera mpanatanteraky ny Vovonana HINA, ny hanaovana adisisika amin'ireo parlemantera, mba ho tanteraka ny fampiakarana ny teti-bola atokana ho an'ny fahasalamam-bahoaka, indrindra ho an'ny vaksiny, ao anatin'ny teti-bolam-panjakana.

Raha ny zava-misy amin'izao fotoana izao, dia ny Alliance Gavi no miantoka ny 85% amin'ny famatsiana vaksiny eto Madagasikara. Anjaran'ny Fanjakana malagasy kosa no mandoa ny ambiny, izay mitsinjara ho ny 11% avy ao amin'ny teti-bolan'ny ministeran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ary ny 4% no avy ao amin'ny teti-bolan'ny ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka. Mbola ambany ny tahan'ny fandrakofana vaksiny eto Madagasikara ary mila mandoa ny anjara volany ihany koa ny governemanta, mba hahafahana manafatra vaksiny avy any ivelany, hoy hatrany i Beninandiana Willy, antony maha-zava-dehibe ny fampiakarana izany teti-bola atokana ho an'ny vaksiny izany.

Fanambaran’i Abuja

Nanokatra ity atrikasa androany ity tamin’ny fomba ôfisialy, ny Loholona zokiolona indrindra, Ndremanjary Jean André, sady filohan’ny vaomiera sôsialy, kolontsaina sy ny serasera, eo anivon’ny Antenimierandoholona. Tamin’izany no nitanisany ireo antony hafa mahatonga ny zaza malagasy tsy hisitraka vaksiny. Isan’izany ny haratsian-dalana, ny fitahirizam-baksiny tsy manaraka ny fenitra, fa indrindra ny finoanoam-poana. Nanentana ireo mpandray anjara rehetra tamin’ny atrikasa izy, mba ho sahy hitondra fanitsiana amin’ny volavolan-dàlana mifehy ny teti-bolam-panjakana. « Azo amboarina io, fa tsy baiboly », hoy izy niteny nahitsy.

Nampahatsiahy ny Fanambaran’i Abuja kosa ny Dr. Rajaobelina Lova Herizo, Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao amin’ny Distrikan’i Moramanga, sady filohan’ny vaomieran’ny fahasalamana eo anivon’ny Antenimierampirenena. Niara-nanaiky ireo firenena Afrikanina nivory tao Nizeria, ary isan’izany i Madagasikara, fa hanokana farafahakeliny ny 15% amin'ny tetibolam-panjakana, ho an'ny sehatry ny fahasalamana, mba hanatsarana ny rafitry ny fahasalamana. Mbola tsy tanteraka izany eto Madagasikara. Niantso ireo solombavambahoaka namany, mba hitady ny vahaolana hahatanteraka izany, miaraka amin’ny mpiara-miombona antoka sy ny firaisamonim-pirenena izy, noho izany.

Nikarakara ity atrikasa androany ity ny Vovonana HINA, ny CCOC (Collectif des Citoyens et des Organisations Citoyennes) ary ny tambajotran’ny tanora NOSYW, niaraka tamin’ny tambajotra CHANUT Mada.

Lire la suite

Articles Similaires