• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cirgn Antananarivo
Image
Vaovao

Fandriam-pahalemana : Lehilahy miisa 8 avy amina tambazotra mpanao halatra moto sarona

25/10/2024 11:52 © Moov

Folo volana no nikarohana ity tambazotra ity. Ny herinandro lasa teo no nahatrarana ireto lehilahy miisa valo ireto. Efa tambazotra lehibe mihitsy izy ireo manatanteraka izany asany izany. Nandry ilika mihitsy ny zandarimaria tarihin'ny Commandant de Brigade Ambohimangakely nikaroka, nanao vela-pandrika sy nisambotra ireto andian'olondratsy mpanao bizina moto ireto. Halatra moto kosa no tena hiampangana azy ireo amin’izany asa ratsiny izany na dia misy zavatra hafa hataony ihany koa aza.

Varotra hosoka

Nanano sarotra ny fikarohana ireto jiolahy ireto noho ny fahaizany manafina izany. Amin’ny ankapobeny dia varotra hosoka sy fampiasana taratasy sandoka hatrany no hivarotan’izy ireo ny moto izay azony. Raha tsiahivina dia ny 22 hifoha 23 Desambra 2023 no nisy trano iray nisy namaky tao Andranovao, Kaominina ambany vohitra Ambohimangakely. Nopoizinin’ireto olon-dratsy ny alika mpiandry tanàna raha ny fanazavana avy amin’ny mpitandro filaminana. Moto miisa 2 sy groupe 1 no very tamin’izany fotoana izany raha ny tatitra. Nandeha ny fikarohana sy ny velapandrika ka ny 17 Oktobra 2024 teo vao tratra teny Ivandry ny moto iray marika PULSAR. Novaina ho mainty ny lokony ary novaina koa ny maoterany. Taorian’izany, ny 18 Oktobra 2024 indray dia tratra teny Anosibe ny moto faharoa marika SYM Nanaovana taxi-moto. Nandritra izany rehetra izany dia « carte rose » sy faktiora sandoka no nampiasaina tamin'ny fifampivarotana sy nitondrana ireo moto. Izany rehetra izany no nanamarihan’ny mpitandro filaminana ny fahasoratna tamin’ny fikarohana azy ireo.

Niakatra fitsarana

Taorian’ny fahatrarana ireo olona miisa 8 voarohirohy tamin'ity halatra moto ity dia nosavaina ny tranon’izy ireo. Tamin’izany no nahatrarana kojakoja moto marobe. Raha ny fanamarihana mantsy diai izay moto angalariny dia ovaina ny piesy ary amidy izany avy eo. Tratra tao ihany koa moto Kymco Racing 150 tsy misy kodiarana. Tsy mazava ihany koa ny taratasiny raha ny fanazavana. Nahitana maotera moto miisa 4: 125 CC roa sy 150 CC roa tsy manana taratasy mazava tsara ihany koa, izany fisavana izany. Farany, moto Boxer tsy misy taratasy ary fanaovana taxi-moto. Vokatr’izany rehetra izany dia natolotra ny fitsarana izy valo mirahalahy ireto. Ny 2 notanana am-ponja vonjimaika. Ny 3 eo ambany fanaraha-mason'ny fitsarana ary ny 3 nahazo fahafahana vonjimaika. Etsy ankilany dia mbola misy olona hafa miisa 2 mbola karohina amin’izao fotoana izao.

Lire la suite

Articles Similaires