• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fahasalamana : Mirongatra indray ny aretin-kibo sy ny tazo

24/10/2024 16:13 © Moov

Miisa manodidina ny 10 isan’andro ny isan’ireo olona voatilin’ireo mpitsabo fa marary, amin’ireo manatona azy amin’izao fotoana izao. Aretin-kibo toy ny fivalanana na tazo no tena mahazo ireo olona manatona mpitsabo ireo. Amin’ny ankapobeny dia misy hifandraisany indrindra amin’ny tontolo iainana sy ny fiovan’ny toetr’andro ny firongatr’izany aretina izany.

Fiovan’ny toetr’andro

Mikorontana ny toetry ny andro. Ny volana oktobra, novambra ary desambra toy izao no tena fotoana hisehoan’ny aretina samihafa. Amin’izao fotoana izao anefa dia ny aretin-kibo sy ny tazo no tena mihatra amin’ny Malagasy. Raha ny fanazavan’ny mpitsabo dia ny tsy fisiana orana miteraka tsy fahampian-drano no tena mahatonga io aretin-kibo. « Tsy ampy ny rano ka mahatonga ny fivalanana ny loto. Eo ihany koa anefa ireo voankazo samihafa izay samy manana ny fomba fihinanany azy ka miteraka io aretina io. Reraka be izay olona tratran’izany aretina izany ka mety hahatonga ny tazo hahery vaika rehefa avy eo », hoy ny mpitsabo amin’ny ankapobeny iray. Raha ny tsikaritra, hoy hatrany ity mpitsabo ity dia manomboka oktobra eo no tena misy io aretina io. Raha tsiahivina dia ny aretin’ny fitaovam-pisefoana no tena nahazo ny Malagasy teo alohaloha teo. « Avy kely ny orana dia niverina nisy fahadiovany kely ny rivotra hiainana ka afakafaka ny sohika na ny fahaseporana », hoy hatrany ity mpitsabo ity.

Tonitony ny fahalotoan’ny rivotra

Na dia anisan’ny singa iray mahatonga aretina samihafa aza ny fahalotoan’ny rivotra hiainana dia azo lazaina ho azo iainana ihany izany amin’izao fotoana izao. Raha ny fanazavana tao amin’ny Sampana Mpamantatra ny toetry ny andro dia tonitony izany fahalotoana izany tao anatin’ny herinandro. Amin’ny ankapobeny dia manakaiky ny fepetra farany ambony natolotry ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS) ny fatran’ny fahalotoana. Raha ny hita eny Ampandrianomby (DGM), Andraharo (UNICEF), Soanierana (CNRE) , Ambatobe, na ny eny Amboditsiry (MADA) sy Andranomena (Ambassade US) izany. Saika manakaiky ny PM 2.5 avokoa ny fatran’ny fivangongoan’ny loto. Ao anatin'ny telo andro manaraka dia mbola mety hitohy izay fihenan’ny fahalotoana izay. Etsy andaniny anefa dia mila miaro tena sy arovana hatrany ireo olona tea marefo. Ao anatin’izany ny zaza menavava, ny vehivavy bevohoka, ny be antitra ary ireo olona manana aretina mitaiza.

Lire la suite

Articles Similaires