• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Jirama
Image
Vaovao

Famatsiana : Nahitsy hatramin’ny 20% ny saran’ny herinaratra ho an’ny mpanjifa indostrialy

24/10/2024 15:17 © Moov

Nisongadina nandritra ny filan-kevitry ny Minisitra omaly 23 oktobra ny mikasika ny fanjifana herinaratra. Tao anatin’izany dia tapaka ny fanitsiana io saran’ny herinaratra io ho an’ireo mpanjifa indostrialy. Tonga hatramin’ny 20% izany raha io tatitra tamin’ny filan-kevitry ny Minisitra io.

Fampifanarahana ny vidy amin’ny tolotra

Nanamarika ny orinasa JIRAMA fa tsy mifanaraka amin’ny famokarana intsony ny fampiasana ny herinaratra eny anivon’ny indostria. Anisan’ny tanjona iray araka izany ny fampifanarahana ny vidin’ny herinaratra amin’ny fampiasan’izy ireo izany. Raha tsiahivina dia nanambara ity orinasa ity fa miaina fatiantoka matetika ka izany no nandraisana ity fanapahan-kevitra ity. Nisy araka izany ny fivoriana arak’asa maromaro niarahan’ny Ministeran’ny angovo sy ny akoran’afo, ny orinasa JIRAMA ary ny vondrona tsy miankina. Ity farany ity izay ahitana ny Groupement des Entreprises de Madagascar (GEM) sy ny Syndicat des Industries de Madagascar (SIM). Niaraka nikaroka ny marimaritra hiraisana izy ireo tao anatin’izany. Vokatr’izany dia noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fifaneken’izy ireo. Ahitsy ho 20% raha oharina amin’ny sarany amin’izao fotoana izao ny ho an’ny taona voalohany ary 16% kosa ho an’ny roa taona manaraka. Natokana ho an’ny « haute tension » irery ihany ity fanapahan-kevitra ity fa tsy tafiditra ao anatin’izany ny « basse tension ».

Tetikasa laharam-pahamehana

Ankoatra io fanapahan-kevitra io anefa dia tena laharam-pahamehana ho an'ny Fanjakana amin'izao fotoana izao ny momba ity famatsiana herinaratra ity. Raha tsiahivina dia saika voaresaka mandritra ny filan-kevitry ny Minisitra hatrany ny momba izany. Tamin'ity farany ity dia nankatoavina ny sorabola ho an'ireo tetikasa sy fandaharan'asa hampiasana volam-panjakana. Tafiditra ao anatin'izany ny fanamboarana ireo "parcs solaires" sy ny fampifandraisana ireo tariby mitondra herinaratra ary ny fanamboarana ireo tariby mitsinjara herinaratra. Hialana amin'ireo olan'ny famatsiana herinaratra io dia asa maika avokoa no tanterahina amin'izao fotoana izao.

Lire la suite

Articles Similaires