• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Reunion.Fr
Image
Vaovao

Analanjirofo sy Atsinanana : Hihatsara saingy hihena ny vokatra letchi

24/10/2024 08:18 © Moov

Mialoha ny tapaky ny volana novambra dia efa hisokatra ny taom-piotazana letchi amin'ity taona 2024 ity. Vinavinaina hihena ny vokatra, saingy hihatsara kosa, ho an'Analanjirofo sy Atsinanana.

Miroso ny fanombohan'ny fiotazana letchi amin'ity taona 2024 ity. Vinavinaina eo anelanelan'ny 11 sy 14 novambra izany, raha 21 novambra tamin'ny taona 2023, araka ny fanambaran'ny Centre technique horticole de Tamatave (CTHT). Efa tokony hahatratra ny habeny sy ny hatsarany tanteraka ireo vokatra amin'izany fotoana izany. Hisy ny fizahana farany amin'ny faran'ity volana oktobra ity, hahafahana mamaritra ny daty raikitra ny amin'ny fanombohan'ny taom-piotazana.

Mihena ny vokatra

Mihena ampahaefany ny vokatra noho ny fiovaovan'ny toetr'andro. Raha maherin'ny 15 garaba mantsy no azo amin'ny fototra iray dia 4 garaba sisa. Noho izany dia hihena ny vokatra haondrana any ivelany sy hamatsiana ny tsena anatiny. Mety azo heverina ny hiakaran'ny vidin'ny vokatra satria hifandrombahana izany. Ireo mpandefa vokatra any ivelany mantsy ohatra dia tsy maintsy manatratra "quota" araka ny fifanaraham-barotra nataon'izy ireo. Ny an'ny tantsaha nefa dia izay mahasahy vidy ambony ihany no mahazo ny entana. Hihoatra ny tinady izany ny tolotra. Na izany aza, ezahina ho tratrarina ihany ny 18 000 taonina alefa any ivelany.

Mihatsara ny vokatra

Na dia eo aza ny fihenan'ny vokatra, azo lazaina fa tsara izany. Tena lehibe ny letchi ho hita eny an-tsena amin'ity taona ity, sady antenaina fa ho mamy tsara. Mamaly ny fepetra apetrak'ireo mpandray ny entana eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena izany.
Ho an'ny faritra atsinanana manokana dia ny varotra mananasy sy garana no hanavotra ny fidiram-bola amin'ity taona ity. Tena tsara mantsy ireo vokatra voankazo ireo, ary efa saika misy mpandray avokoa ny entana.

Lire la suite

Articles Similaires