• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Frédéric Nebinger
Image
Vaovao

Ady amin’ny Sida : Nanolotra vola 8.000 euros ho an’ny fikambanana SISAL i Stéphanie de Monaco

24/10/2024 07:46 © Moov.Mg

Nanomboka ny taona 2003 ny fikambanana Fight Aids Monaco, izay naorin'ny printsesy Stéphanie an'i Monaco, no nanohana ny fikambanana SISAL teo amin'ny ady amin'ny valanaretina Sida. Mandalo eto Madagasikara ity printsesy ity amin'izao fotoana izao, ary nitsidika ny dispansera SISAL eny Namontana. Mifanandrify indrindra amin'ny fihaonambe faha-20 momba ny VIH/Sida aty amin'ny ranomasimbe Indianina, izay tanterahina eto amintsika ihany koa izany.

Fampahaleovan-tena ireo mitondra ny VIH

Fikambanana misehatra amin’ny ady amin’ny VIH/Sida ny SISAL ary lohahevitra iray manan-danja ihany koa izany, ho an’ny printsesy Stéphanie. Mandray anjara amin’ny fihaonambe faha-20 momba ny VIH/Sida izy, fa mialohan’ny nisokafan’izany dia nandeha nitsidika ny dispansera SISAL eny Namontana, eny amin’ny Boriborintany faha-4 Antananarivo renivohitra izy, tamin’ny alahady lasa teo. Hatramin’ny nanohanan’ny Fight Aids Monaco ny fikambanana, dia tsy nionona fotsiny tamin’ny fanentanana sy ny fitiliana ny tsimokaretina VIH ary ny fandraisana an-tanana ireo mitondra izany tsimokaretina izany ny SISAL, fa niitatra tany amin’ny fampahaleovan-tena ireo olona « séropositifs » ihany koa ny andraikitra sahaniny. Fanofanana arak’asa, mba hananan’izy ireo velon-tena, sy fanohanana ny fianaran’ny zanak’ireo olona miondra ny VIH, no tena ataon’izy ireo amin’izany.

Mpanakanto sy mpanao asa soa

Nandritra ny fitsidihany ny tobim-pahasalamana SISAL eny Namontana, dia nanolotra taratasim-bola mitentina 8.000 euros ho fanohanana ny fikambanana, ny printsesy Stéphanie. Avy amin’ny fikambanana Fight Aids Monaco izay tantanany izany fanampiana izany, miaraka amin’ny fanohanan’ny Fanjakan’i Monaco. Notolorana solosaina entin-tanana iray ihany koa ny fikambanana, mba ho fanohanana ny tanora eo amin’ny lafiny arak’asa. Ny fikambanana Digital Aid Monaco, izay manodina ireo solosaina tsy ampiasaina intsony ho lasa vaovao indray, no nanome izany, tamin’ny alalan’ny fikambanana Fight Aids Monaco.

I Stéphanie de Monaco, na Stéphanie Marie Elisabeth Grimaldi moa, dia zanaka vavin'ny Printsy Rainier III avy any Monaco sy ilay mpilalao sarimihetsika malaza, Grace Kelly. Teraka tamin'ny 1 febroary 1965 izy ary izy no faravavin'ny fianakaviana Grimaldi. Anadahiny ny Printsy Albert II, izay mpanjaka ankehitriny any Monaco. Mpanankato i Stéphanie de Monaco, ary isan’ny nahafantarana azy ilay hira mitondra ny lohateny hoe : "Ouragan", nivoaka tany amin'ny taona 1986. Mpanao asa soa ihany koa izy ary ny fandraisana anjara mavitrika tena notanterahiny dia ny ady amin'ny SIDA.

Lire la suite

Articles Similaires