• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Arikaomisa Randria
Image
Vaovao

Asa soratra malagasy : Hivoaka tsy ho ela ny « Amboarana angano 2 », nosoratan’i Arikaomisa Randria

23/10/2024 16:20 © Moov.Mg

Vinavinaina hivoaka amin’ny faran’ny volana novambra ho avy io ny boky nosoratan’i Arikaomisa Randria, izay nampitondraina ny lohateny hoe : "Amboarana angano 2".

Boky amin’ny fiteny roa

Araka izany lohateniny izany dia angano no raketin’ity boky ity, ary amin’ny teny malagasy sy teny frantsay ireo tantara. Randriamanantena Arsène, fantatra amin’ny solon’anarana hoe : Arikaomisa Randria, no nanoratra ireo angano amin’ny teny malagasy, fa nandika izany amin’ny teny frantsay kosa i Fiaferana Alisoa Noroniaina. Tsy vitan’ny amin’ny fiteny roa ity boky ity, fa sady avy hatrany dia miaraka amin’ny feo ihany koa, na ilay antsoina hoe : « livre audio ».

Ahitana angano miisa 5 ao anatin’ity amboara ity, izay miresaka lohahevitra maro samihafa, raha ny lohateny nampitondraina ireo tantara voarakitra ao anatiny : Mandrora mitsilany (Cracher en l'air) ; I Karenjy (Karenjy) ; Ireo zanak'i Vorombe (Les enfants de Vorombe) ; Imaitsoanala nanao fampitaha (Imaitsoanala au concours de beauté) ary Ikakabemaso sy Ikotokely (Ikakabemaso et Ikotokely).

Sekolin’ny Ntaolo

Mpanoratra efa tsy zoviana intsony amin’ireo mpankafy haisoratra malagasy i Arikaomisa Randria. Ny angano no nosoratany voalohany, hatramin’ny fahakeliny, ary mbola tohiziny hatramin’izao izany. Manoratra tononkalo, sombin-tantara sy tantara foronina ihany koa anefa Randriamanantena Arsène. Isan’ny nankafizan’ny maro azy, ireo tantara nosoratany ho an’ny onjampeo, izay sehatra niasany nandritra ny taona maro rahateo, satria sady mpanoratra izy, no mpanatontosa, no mpilalao ihany koa.

Saro-piaro amin’ny asa soratra malagasy i Arikaomisa Randria, indrindra amin’ny angano. Nandritra ny fankalazana ôfisialy ny andro maneran-tany ho an'ny poezia sy ny angano, tamin’ny volana martsa tamin’ity taona 2024 ity, dia nampahatsiaro izy fa « ny angano no sekoly nitaizan’ny Ntaolo ny zanany taloha, ka tokony omena lanja hatrany ».

Misy takila 92 ny "Amboarana angano 2" ary i Max Razafindrainibe no nanao ny sary amin’ny fonom-boky. Hivoaka ao amin’ny edisiôna Jeunes Malgaches ity boky ity, amin’ny volana novambra, ary ho azo jifaina amin’ny vidiny 70.000Ar.

Lire la suite

Articles Similaires