• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mps
Image
Vaovao

Ivon-toerana mitaiza zaza varira : Mila tohana, ho fanajana ny zon’ireo ankizy

23/10/2024 15:17 © Moov.Mg

Misedra olana ny Sekoly Mampiaty Farafangana (SEMAFA), izay mitaiza ireo ankizy manana toe-tena varira any amin’iny tapany Atsimo Atsinanan’ny Nosy iny. Tsy ampy intsony mantsy ny ho enti-manan’ny Akany, izay miantoka ny fiarovana ireo zaza varira sy ireo zaza manana fahasembanana.

Fakana an-keriny

Noho ny tahotra ireo mpaka an-keriny olona varira, dia maro amin’ireo ray aman-dreny manan-janaka manana io toe-tena io no misafidy ny hametraka ny zanany hotaizaina eny anivon’ny akany. Tsy misy anefa, eto Madagasikara, ny akany manokana mandray an-tanana ny ankizy varira, fa ny ivon-toerana efa misy, izay niompana tamin’ny andraikitra hafa, tany am-piandohana, no zary lasa mandray an-tanana ireny ankizy varira ireny, ho fiarovana ny ain’izy ireo. Iray amin’ireny ivon-toerana ireny ny SEMAFA. Akany fitaizana ireo ankizy manana fahasembanana ara-pahitana no antom-pisiany, saingy napetraka tamin’izy ireo ihany koa ny fikarakarana ireo ankizy manana toe-tena varira, noho ny fisian’ireo tranga fakana an-keriny manerana ny Faritra maro eto Madagasikara.

Vahaolana maharitra

Ireo ankizy manana fahasembanana ara-pahitana ihany anefa no manana mpiara-miombon’antoka manohana, ka izay fanampiana azo no ifampizarana amin’ireo ankizy varira, miampy ny vokatry ny saha fambolen'ny Akany. Miisa 64 ireo ankizy varira raisina an-tanana ao ao amin’ny SEMAFA. Avy any amin'ny Faritra Fitovinany ny ny 25 amin'ireo ankizy ireo, avy any amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana ny 34 ary any amin'ny Faritra Vatovavy ny 5. Nisy ny dinidinika nifanaovan’ny fitaleavam-paritry Mponina sy Firaisankina ao Fitovinany sy Atsimo Atsinanana, tamin'ny tompon'andraikitry ny SEMAFA, mba hijerena vahaolana maharitra amin’izao fahasahiranana izao. Mba ho vahaolana vonjimaika aloha dia nanolotra 400 kg sy menaka 12 litatra, ho fanohanana ny akany, ny minisitry ny Mponina sy Firaisankina, Razafinjato Aurélie.

Ny fanohanana sy fiarovana ny zon’ny olona manana toe-tena varira, amin’ny ankapobeny mihitsy, no tokony hojerena akaiky, satria manana zo hiara-honina tsy misy ahiahy amin’ny fianakaviany, toy ny ankizy rehetra ihany, ny ankizy varira.

Lire la suite

Articles Similaires