• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Wwf
Image
Vaovao

Ankazomborona, Distrikan’ny Soalala : Olona miisa 700 no traboina noho ny hain-trano mahery vaika

23/10/2024 15:49 © Moov

Nitrangana hain-trano mahery vaika tao Ankazomborona ao anatin’ny Distrikan’ny Soalala. Olona 700 mahery amin’izao fotoana izao no tra-pahasahiranana any an-toerana. Etsy andaniny anefa dia manano sarotra ny fitondrana ireo fanampiana amin’izao fotoana izao noho ny halaviran-toerana vokatry fahasarotan’ny lalana.

Raha tsiahivina dia piti-kafo vokatry doro tanety nanodidina ny tanàna no nahatonga ny loza. Vokatr’izany dia trano miisa maherin’ny 400 no may sy tsy nisy azo noraisina, raha ny fanazavan’ny Solombavambahoaka, Zakaniaina Mahafaly Joseph Said. Tao anatin’izany ny tranom-bary na ny trano fitehirizana vary. Aman-jatony araka izany ny traboina amin’izao fotoana izao. « Tsy nisy ny aina nafoy fa ny marary sy ny naratra no betsaka. Sahirana tanteraka ny mponina any an-toerana amin’izao fotoana izao satria tsy misy manana trano ka matory ambanja (matory eny an-tsaha) ny an-kamaroany », hoy hatrany ny fanazavana. Etsy andaniny anefa dia sarotra ny fitondrana ny fanampiana noho ny haratsian-dalana. Mbola miantso ireo izay malala-tanana araka izany ity Solombavambahoaka ity ny mikasika ireo fanampiana ireo.

Fanampiana avy amin’ny MJS

Ankoatra ireo fanampiana samihafa andrasana ho tonga any an-toerana dia nanolotra tohana ihany koa ny Ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahan-tena. Noho ny fahitana ny fahasarotana aenfa dia tsy maintsy nitady vahaolana izy ireo ka angidim-by no hitondrana ny fanampiana amin’ity andiany faharoa ity. « Nandefa fanampiana izahay tamin’ny alahady. Mbola tsy tonga any an-toerana anefa izany hatramin’izao. Mety rahampitso vao ho tonga any satria ankoatra ny fandehanana tracteur dia ho afindra amin’ny sarety indray ireo fanampiana. Izany no mampaela ny fahatongavan’ireo fanampiana ireo ka tsy maintsy hoentina amin’ny angidimby », hoy ny Minisitra, Abdulah Marson Moustapha, sady mpiahy ny faritra Boeny. Ao anatin’izany fanampiana izany ny fanafody samihafa, toy ny doliprane, amoxicilline, compresse sy ny karazany maro hafa ilain’ireo mponina ireo.

Lire la suite

Articles Similaires