• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cua.Jpg
Image
Vaovao

Antananarivo : Tanterahina amin’ny alalan’ny "Haute Intensité de Main d'Œuvres" (HIMO) ny fanadiovana lakan-drano

23/10/2024 13:14 © Moov

Miroso amin’ny asa fanadiovana ny lakan-drano hiomanana sahady amin’ny fotoam-pahavaratra ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Hanatanterahana izany avokoa ireo boriborintany miisa 6 manerana ny Kaominina. Hotanterahina amin’ny alalan’ny Haute Intensité de Main d'Œuvres" (HIMO) io fanadiovana io.

Haharitra 20 andro

Marefo amin’ny fiakaran’ny rano sy ny loto maro be ny faritra ambany tanàna. Ankoatra azy ireo anefa dia miaina ny loto sy ny fiantraikan’izany ihany koa ireo mipetraka amin’ny faritra avo. Araka izany, handray anjara amin’ny fanadiovana avokoa ny olona rehetra na amin’ny fomba mivantana izany na ankolaka. Ho amin’ity fanadiovana manerana ny boriborin-tany ity dia haharitra 20 andro ny fanadiovana ary olona miisa 30 isaky ny boriborintany no ahetsika mivantana ao anatin’izany. Samy hanana ny toerana hodiovina ny isaky ny boriborintany. Mirefy 30km ny lakan-drano hodiovina ao amin’ny boriborintany voalohany. Mirefy 1.5km kosa no ezahina ho vitaina isan’andro. Mirefy 650m kosa izany ho an’ny Boriborintany faharoa ary 65m isan’andro no ho tanterahina ao anatin’ny 10 andro. Mirefy 500m ho an’ny boriborintany fahatelo ary haharitra 20 andro ny asa. Hirefy 1 400 m ho an’ny biroborintany fahaefatra ary 1 000m ho an’ny boriborintany fahadimy. Samy ho olona miisa 30 ary haharitra 20 andro ny asa amin’ireo toerana roa farany ireo.

Fiaraha-mientana

Ankoatra ireo olona izay handray anjara mivantana amin’ny fanadiovana dia hiara-hisalahy amin’izany ny ao amin’ny Kaominina. Ny Société Municipale d’Assainissement (SMA) indrindra no hitaona ny fotaka sy ny fako izay ho esorina amin’ireny toerana ho diovina ireny. Ankoatra izay moa dia efa ela no nitovy fijery tamin’izy ireo ny APIPA izay miezaka hatrany manadio ireo lakan-drano hahafahana mamoaka ny rano araka ny tokony ho izy. Marihina fa tamin’ny 17 oktobra teo no nanombohana izany asa izany ary hitohy mandritra ireo 20 andro ireo.

Lire la suite

Articles Similaires