• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mdat
Image
Vaovao

Fandaharan’asa PADEVE : Nisokatra ho an’ny Antsirabe, Mahajanga ary Toamasina ny asa

23/10/2024 14:32 © Moov

Hiditra amin’ny andiany faharoa ny fandaharan’asa PADEVE (PADEVE 2). Notontosaina tao Anosy tao amin’ny Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany (MFFT) ny fivoriana voalohany an’ny komity nasionaly mitarika io fandaharan’asa andiany faharoa io. Raha ny fanazavana dia nisokatra ho an’ny tanan-dehibe miisa telo vaovao ny asa ho tanterahina.

Fanohizana ny hetsika

Ho fanohizana ny asa efa vita tamin’ireo tanàna miisa telo, Antsiranana, Fianarantsoa ary Toliara ity PADEVE 2 ity. Amin’ny ankapobeny dia natao indrindra ho fanatsarana ny tanan-dehibe eto Madagasikara araka izany ny PADEVE. Hisokatra izany ho an’ny renivoho-paritany telo hafa, ahitana an’i Antsirabe, Mahajanga ary Toamasina. Nahafa-po rahateo ny vokatra azo tamin’ireo tanàna miisa telo voalohany raha ny tombana no jerena. Izany ihany koa no ezahina entina ho an’ireo tanàna telo vaovao. Fanomanana sy fifampizarana mikasika ireo fotodrafitrasa ho asiam-panamboarana no anton’ny fivoriana omaly. Marihina moa fa miara-miasa amin’ny MFFT ny Minisiteran'ny rano, fanadiovana ary ny fidiovana ; ny Minisiteran'ny tokarena sy ny fitantanam-bola ary ny Minisiteran’ny Asa vaventy ary ihany koa ny orinasa JIRAMA.

277 miliara ariary

Tanjon’ny tetikasa ny hanamboatra na hanarina na hanavao ny fotodrafitrasa amin’ireo tanan-dehibe ireo. Ao ihany koa ny fanamboarana zava-baovao mihitsy. Tetikasa vatsian’ny Agence Française de Développement (AFD) ity fandaharan’asa ity. « Amin’ny ankapobeny dia famatsiam-bola maherin’ny 277 miliara ariary (56 millions euros) no ampiasaina amin’ity fandaharan’asa ity. Ny antom-pivoriana androany hanomanana ireo tetikasa ho tanterahina », hoy i Randriamananjara Sandrinah, Sekretera Jeneralin’ny MFFT. Any amin’ny taona 2025 any vao tena hiditra amin’ny fanatanterahana ny tetikasa.
Nisy ihany koa ny fifampizaràna ny mahasoa teo amin’ireo samy ben’ny tanàna sy ny ekipan’ny minisitera mahakasika ny lohahevitra fototra. Tao anatin’izany ny fanentanana ny vahoaka amin’ny fikojakojana ireo fotodrafitr’asa, ny andraikitry ny kaominina ary ny maha zava-dehibe ny fiaraha-miasa amin’ny fampandrosoana ny tanàna.

Lire la suite

Articles Similaires