• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Sida : Malagasy 55.000 isa mitondra ny VIH no tsy mahalala ny toe-tenany

23/10/2024 08:26 © Moov.Mg

Nanao ezaka manokana ny firondram-panjakana, nikaroka ireo olona mitondra ny tsimokaretina VIH. Antony nampiakatra ny antontan'isa izany, araka ny nambaran'ny Pr Zely Arivelo Randriamanantany, minisitry ny Fahasalamam-bahoaka omaly, nandritra ny fanokafana ny fihaonambe momba ny VIH/ Sida eto amin'ny ranomasimbe Indianina.

Natomboka omaly 22 oktobra 2024 ary haharitra telo andro, eny amin’ny Centre des Conférences Internationales (CCI) Ivato, ny fihaonambe momba ny VIH/ Sida eto amin'ny ranomasimbe Indianina andiany faha-20, eo ambany fiahian-drtoa Mialy Rajoelina, vadin’ny filoham-pirenena. Tanjona ny hahafahan’ireo mpisehatra rehetra momba ny VIH/ Sida mifampizara traikefa, voka-pikarohana sy paikady vaovao entina miady amin'ity aretina ity, aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina.

Hetsika fitiliana

Raha ny zava-misy maneran-tany, amin’ny ankapobeny, araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny ONUSIDA, dia nahitana fihenany ny isan’ny olona mitondra ny tsimokaretina VIH. Eto Madagasikara manokana, dia voalaza tao ho ao fa mihamitombo ny isan’ny olona fantatra fa mitondra izany tsimokaretina izany. Raha ny fanazavan’ny Pr Randriamanantany Zely Arivelo, minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, dia vokatry ny ezaka manokana nataon’ny Fitondram-panjakana, nitadiavna ireo olona ahiana ho mitondra ny tsimokaretina VIH, no nahatonga ny fiakaran’ny antontan’isa. Tany amin’ny taona 2008, araka ny fanazavany, no nanatanterahana fitiliana mivantana farany, izay nahafahana nahalala ny isan’ny olona mitondra ny tsimokaretina. Taorian’izay dia tombana ihany no natao. Nanodidina ny 9.500 isa, tamin’izany, no noheverina fa voakasik’ity aretina ity. Misy fenitra arahina anefa maneran-tany, dia ny tokony hahafantarana ny 95%-n’ny olona « séropositif ». Taorian’ny hetsika notanterahan’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, dia olona mitondra ny tsimokaretina VIH miisa 20.000 no hita manerana an’i Madagasikara, hoy hatrany ny minisitra. Tombanana ho 75.000 anefa ny isan’ny olona tratran’izany eto amintsika, izany hoe : mbola misy olona 55.000 isa miriaria any anaty fiarahamonina any, tsy mahalala ny toe-tenany.


Copyright Image : © PRM

Fandraisana an-tanana mialoha

Nandritra ny lahateny nataony , tamin'ny lanonam-panokafana ny fihaonambe, dia nanentana ny amin’ny hanamafisana ireo ezaka fanentanana amin'ny fanaovana fitiliana i Mialy Rajoelina. Ilaina ihany koa, araka ny nambarany, ny fanabeazana amin'ny fahasalamana ara-pananahana, indrindra ho an'ireo tanora. Nanentana ireo ray aman-dreny izy, noho izany, mba hisokatra amin'ny fifampiresahana amin'ny zanaka, momba ny fahasalamana ara-pananahana sy ny fiarovana ireo tanora. Raha ny nambaran’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka rahateo, dia ny tanora no tena betsaka tratran’ny VIH eto amintsika. 13 taona mantsy ny Malagasy dia efa miditra amin’ny firaisana ara-nofo, izay matetika no tsy voaaro. Misy olona vao 21 taona monja, no mararin’ny Sida eny amin’ny hôpitaly eny, hoy izy, ary efa « stade 4 » no misy azy, izany hoe : efa tsy ho avotra intsony. Ny hisorohana izany no tena maha-zava-dehibe ny fanaovana fitiliana, mba hahafantarana ny toe-tena, ka hahafahana mandray an-tanana mialoha, raha toa ka miabo ny valim-pitiliana. Nanamarika ny Pr Zely Arivelo Randriamanantany, fa enim-bolana aty aorian'ny hihinana ny fanafody, amin'ny ankapobeny, dia tsy mamindra intsony ny olona mitondra ny tsimokaretina VIH.

Mpisehatra sy mpiara-miombon’antoka maro manana ny maha-izy azy, no manatrika ity fihaonambe momba ny VIH/ Sida tanterahina eto Madagasikara ity. Isan’izany i Winnie Byanyima, tale mpanatanteraky ny ONUSIDA, Anne Muthoni Githuku-Shongwe, talem-paritry ny ONUSIDA, ny printsesy Stéphanie de Monaco, izay nanangana fikambanana miady amin’ny Sida, ny solon-tenan’ny Tahiry Iraisam-pirenena (Fonds Mondial)… ary ireo fikambanana sy firaisamonim-pirenena isan-tsokajiny.



Lire la suite

Articles Similaires