• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mcc
Image
Vaovao

Herinandron’ny HAVATSA UPEM : Hanome vahana ny tanora vao misandratra

23/10/2024 09:47 © Moov

Toy ny efa fanaon’ireo mpanoratra mikambana ao amin’ny HAVATSA UPEM isan-taona dia nanomboka omaly ny herinandron’ny HAVATSA. Tanterahina etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy izany mandritra ny herinandro. Fotoana indrindra hanomezana laka ireo tanora vao misandratra amin’izao fotoana izao izy io. Eo ihany koa ny fanamafisana ny fifandraisana amin’ireo mpanoratra sy ny mpamaky.

Hetsika maro isan-karazany

Ankoatra ireo mpanoratra efa fanta-daza sy ireo asa soratra izay efa mampalaza azy. Ahitana asa soratra avy amin’ireo tanora lahy sy vavy vao misandratra io fotoana io. Ankoatra ny fifaneraserana amin’ireo mpanoratra mpikambana mantsy dia ahitana fampirantiana ihany koa mandritra ny hetsika. Hanampy izany ny fivarotana boky sy ny antsa tononkalo samihafa mandritra io herinandro io. Handray anjara amin’ny hetsika rehetra ireo tanora ireo. « Natokana hampifanakaikezana ny mpamaky sy ny mpanoratra ity herinandro ity. Natao hanamafy orina ihany koa ny fifandraisana eo amin’ny roa tonta. Anisan’ny zava-dehibe ihany koa anefa ny fanomezan-danja ny tanora izay efa miha-maro ny mahay mikirakira sy mahafehy ny teny malagasy », hoy i Griffine Bakoliniaina, Filoha lefitry ny HAVATSA UPEM. Misokatra isan'andro manomboka amin'ny 8 ora maraina hatramin'ny 4 ora hariva moa ny fampiratiana ary azon'ny rehetra tsidihina sady misy varotra boky.

Boky hanamarihana ny fotoana

Ankoatra ireo hetsika maro isan-karazany ireo dia nanamarihana io fanokafana tamin’ny fomba ofisialy io ny famoahana ny boky « tombokavatsan'ny haisoratra ». Mpanoratra miisa 73 mianadahy no nandray anjara tamin’ny fanoratana azy izay mahatratra hatramin’ny 582 pejy. Ahitana hain-teny, antsa tononkalo, sombin-tantara, lahatsoratra fandalinana ary ny tantara tsangana sy raki-piainana mpanoratra ao anatin’io boky io. Teo ihany koa ny famoahana ny boky ho Fitsiahy nosoratan'i Di Rahaingoson Henri. Ireo boky ireo izay ho azo jifaina mandritra ny hetsika avokoa.
Marihina fa nandray anjara tamin’ny fanombohana ny hetsika ny Ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina. Nanamafy izy ireo tao anatin’izany fa manohana hatrany ireo fikambanana sy ny hetsika hanomezan-danja ny Kanto Ary ny literatiora Malagasy ny Minisitera.

Lire la suite

Articles Similaires