• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Marc Ottini
Image
Vaovao

Kôlera : Mikatona hatrany ny sisin-tany malagasy, misy fifampidinihana eo amin’i Madagasikara sy i Kaomôro

22/10/2024 11:14 © Moov.Mg

Namoaka fanambarana manazava ny fanapahan-kevitr’i Madagasikara, ny amin’ny fanakatonana ny sisin-tany amin’ireo sambo avy any amin’ny firenena ahitana valanaretina kôlera, ny ministeran’ny Raharaham-bahiny. Izany dia taorian’ny fanambarana navoakan’i Kaomoro, izay tohina noho ny tsy namelana ny sambo Acadie, hiantsona tao amin’ny seranan-tsambon’i Mahajanga.

Sambo tsy navela niantsona

Raha tsiaivina dia ny filàn-kevitry ny minisitra notontosaina ny 16 ôktôbra 2024 no nandray ny fanapahan-kevitra hanakatona indray ny sisin-tanin’i Madagasikara, amin’ireo sambo mpitondra mpandeha, avy any amin’ireo firenena ahitana trangana kôlera. Teo an-danin’izay anefa, nilaza ny minisitry ny fifandraisana ivelany kaomôrianina, fa fanapahan-kevitra tsy mitombina no noraisin’i Madagasikara. Volazan’ny fanambarana navoakan’ity ministera ity, fa na ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny fahasalamana (OMS) aza, tsy mbola nandray fanapahan-kevitra henjana toy izao, manoloana ny zava-misy ao Kaomôro. Niteraka izao fanafintohinana ao Kaomôro izao, ny tsy namelana ny sambo kaomôrianina Acadie, niantsona tao Mahajanga tamin’ny alahady lasa teo. Nitondra mpandeha 280 isa ity sambo ity, izay marefo ny ankamaroany, satria misy amin’izy ireo no marary, ny vehivay bevohoka, ny zaza. Manohintohina ny finamanana misy eo amin’i Madagasikara sy i Kaomôro ity tranga ity, hoy ny ministeran’ny fifandraisana amin’ny any ivelany sy ny fifanarahana iraisam-pirenena ao Kaomôro.

Fiarovana ny fahasalamana

Amin’ny maha-firenena manana ny fiandrianany an’i Madagasikara anefa, dia sady manana zo izy no manana adidy hiaro ny fahasalaman’ireo olom-pireneny, hoy ny valin-tenin’ny Fanjakana Malagasy. Noho izany dia nanamafy ny fanambarana navoakan’ny ministeran’ny Raharaham-bahiny, fa mijanona mikatona ny sisin-tanin’i Madagasikara mandrapahafenon’ireo fepetra ara-pahasalamana, izany hoe : mandrapahafoana ny trangana kôlera vaovao indray ao Kaomôro, izay midika ho fahafehezana ny valanaretina. Araka izany, ireo sambo mpitondra entana tena ilaina ihany no afaka miantsona eny amin’ny seranan-tsambon’i Madagasikara, ary tsy afaka midina an-tanety ireo tantsambo. Nohamafisina ihany koa ny fanaraha-maso ara-pahasalamana ireo mpandeha fiaramanidina avy amin’ireo firenena ahitana valanaretina kôlera, eny amin’ny seranam-piaramanidina.

Tsy tokony hanohintohina ny firahalahiana sy finamanana misy eo amin’i Kaomoro sy i Madagasikara ity fanapahan-kevitra ity, hoy hatrany ny fanambarana. Nohamafisin’ny ministeran’ny Raharaham-bahiny ihany koa, fa misokatra amin’ny fifampiresahana ara-diplaomatika hatrany ny governemanta malagasy. Efa misy dinika ifanaovana rahateo, amin’izao fotoana izao, araka ny fanambarana, ary misy fandinihana ireo lafin-javatra maro, ahafahana mahita fifanarahana eo amin’ny firenena roa tonta.

Lire la suite

Articles Similaires