• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Fampitaovana : Nahazo fitaovana informatika avy amin’ny BAD ny Ministeran’ny asa vaventy

22/10/2024 10:52 © Moov

Manohana ara-pitaovana ny Ministeran’ny asa vaventy ihany koa ny Banky Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana (BAD). Noraisina tamin’ny fomba ofisialy omaly teny amin’ny ININFRA Alarobia omaly 21 oktobra ireo fitaovana informatika. Fitaleavana maromaro ao amin’ny Ministeran’ny asa vaventy no hisitraka izany fitaovana izany. Tao anatin’izany ny solosaina, ny « imprimante », ny « modem » sy ireo fitaovana maro samihafa.

Toerana miisa enina

Nisitraka ireo fitaovana ireo ny Fitaleavam-patitry ny Asa Vaventy (DRTP) Atsimo-Andrefana, Atsimo-Atsinanana, Menabe ary Anosy. Tao ihany koa anefa ny Birao Foibe an’ny Ministera sy ny ININFRA izay samy nisitraka ilay fitaovana avokoa. Tafiditra anatin’ny ezaka fanatsarana ny fitantanana sy ny fanaraha-maso ny tetikasa PACFC, vatsian’ny Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana (BAD) vola, ireo fitaovana informatika ireo, araky ny nambaran’ i Razafimahefa Ando, mpandrindra ny tetikasa. Ity tetikasa ity izay mikendry ny fanokafana ireo lalana amin’ny toerana alavitra sy fampiroboroboana ary fanamafisana ny fotodrafitrasa fitaterana an-dalambe eto Madagasikara. Hatao indrindra izany ho amin’ny fampiroboroboana ny varotra anatiny. Ilaina araka izany ireo fitaovana ireo ho ao anatin’ny fanatrarana ny tanjona hatrany.

Fanatsarana fomba fiasa

Nilaza ny Minisitra Rafidison Richard Theodore fa hanatsara ny fomba fiasan’ny MTP ireo fitaovana ireo, ka hanampy amin’ny fahazoana vokatra mivaingana ho an’ny tombontsoan’ny vahoaka. Natsipiny ihany koa fa ampiasaina amin’ny asan’ny MTP ireto fitaovana ireto, ary tsy azo ampiasaina manokana. Nanamafy ny maha zava-dehibe ny fanatsarana ny fomba fiasa eto anivon’ny MTP, miaraka amin’ny fanarahana ny fandrosoan’ny teknolojia, ny Minisitra tomponandraikitra. Nanamafy ny fankasitrahana sy ny fisaorana ny BAD hatrany ihany koa ny Minisitra nandritra io fotoana nanolorana ireo fitaovana ireo. Raha tsiahivina mantsy dia tetikasa maro no handraisan’ny BAD anjara ao anatin’ny fanarenana sy ny fanamboarana ny fotodrafitrasa eto Madagasikaraka ka izay fanohanana tsy tapaka izay no nankasitrahana hatrany. Ankoatra ny fanamboaran-dalana dia eo ihany koa ny fanolorana fitaovana toy izao.

Lire la suite

Articles Similaires