• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Unicef
Image
Vaovao

Tsifanjariantsakafo : Ho lany amin’ny taona 2025 ny tahirina fanampin-tsakafo fitsaboana ny ankizy malagasy

21/10/2024 16:31 © Moov.Mg

Ankizy 2 tapitrisa maneran-tany, tratran’ny tsifanjariantsakafo tena mahery vaika no ahiana ny ainy, noho ny tsy fahampian’ny famatsiam-bola ho fanohanana ny fanampin-tsakafo fitsaboana (aliments thérapeutiques), araka ny nambaran’ny UNICEF foibe. Voakasik’izany loza mitatao izany i Madagasikara.

Krizy maneran-tany

Ambony dia ambony ny tahan’ny tsifanjariantsakafo mahery vaika, any amin’ny firenena maro, vokatry ny ady, ny olana ara-toekarena sy ny fiovan’ny toetr’andro. Nisy fanetsehana ireo mpisehatra maro maneran-tany, nandritra ny roa taona farany izay, izay nahafahana nampitombo ireo hetsika ho fampihenana ny tahan’ny tsifanjariantsakafo mahery vaika, tany amin’ireo firenena voakasika ireo, araka ny nambaran’i Victor Aguayo, tomponandraikitry ny fanjariantsakafo sy ny fivoaran’ny ankizy eo anivon’ny UNICEF foibe. Ankehitriny, anefa tena anaty hamehana ireo firenena ireo, ka ilaina ny manao hetsika faran’izay haingana, mba hamonjena ny ankizy tratran’izany tsifanjariantsakafo mahery vaika izany.

Miisa 12 ireo firenena voakasika : Mali, Nigeria, Niger ary Tchad, izay efa tsy ahitana fanampin-tsakafo fitsaboana tonga dia vonona (RUTF) intsony, na efa manomboka tsy manana izany intsony. Cameroun, Pakistan, Soudan, Soudan du Sud, Kenya, Repoblika demôkratikan’i Congo, Ouganda ary i Madagasikara, izay mety tsy hanana tahirina RUTF intsony rehefa misasaka ny taona 2025. Ho an’i Madagasikara manokana, dia tombanana ho amin’ny volana aprily 2025 no ho ritra ny tahirina fanampin-tsakafo fitsaboana, raha tsy misy ny fanohanana ara-bola.

Tahiry ho an’ny fanjariantsakafo

Vola 165 tapitrisa dôlara amerikanina no tadiavin’ny UNICEF, mba hisorohana ny tsy fisian’ny fanampin-tsakafo fitsaboana, any amin’ireo firenena maro ahitana trangana tsifanjariantsakafo, ao anatin’ilay drafitra fanafainganana ny ady amin’ny tsifanjariantsakafo, antsoina hoe : « No Time to Waste 2024 ». Hatramin’ny taona 2022 nametrahana azy, dia efa nahaangona vola 900 tapitrisa dôlara ny UNICEF, izay nampiasaina tamin’ny hetsika fisorohana ny tsifanjariantsakafo, ny fitiliana mialoha sy ny fandraisana an-tanana mialoha ireo ankizy. Vokatr’izany dia vehivavy sy ankizy maherin’ny 21 tapitrisa, no nahazo tohana ho fisorohana ny tsifanjariantsakafo ; ankizy 46 tapitrisa no voatily mialoha ; ary ankizy maherin’ny 4 tapitrisa no nahazo fandraisana an-tanana tena miankina aman’aina. Nametraka ny Tahiry ho an’ny Fanjariantsakafon’ny Ankizy (CNF) ihany koa ny UNICEF, tamin’ny taona lasa, mba hahafahan’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra mandray anjara ara-bola ao anatin’ny ady ho an’ny fanjariantsakafo. Raha tsy voavory ny vola ilaina, dia ankizy 2 tapitrisa tratran’ny tsifanjariantsakafo tena mahery vaika no ahiana hamoy ny ainy ato ho ato.

Ny RUTF moa dia fanampin-tsakafo feno otrikaina, mitondra hery be sy vetivety ho an’ireo ankizy tratran’ny tsifanjariantsakafo. Zaraina maimaim-poana izy ireny, aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana toa an’i Madagasikara, ka ny tohana ara-bola avy amin’ny mpiara-miombon’antoka no mamatsy ny fividianana azy. Ny « plumpy » no karazana RUTF voalohany sy fantatra indrindra, eto amintsika.

Lire la suite

Articles Similaires