• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Meh
Image
Vaovao

Fahandroana sakafo amin’ny angovo madio : Natomboka teto Antananarivo ny fakan-kevitra nasionaly

22/10/2024 09:19 © Moov

Ho fampihenana ny fampiasana harina fandrehitra na kitay. Natomboka omaly 21 oktobra tetsy amin’ny Hôtel Panorama Andrainarivo ny fakan-kevitra nasionaly. Tanjona amin’izany ny fandrafetana ny politika nasionaly momba ny fampiroboroboana ny fomba fahandroana sakafo amin’ny angovo madio. Hotanterahina manerana ny renivohi-paritany rehetra ity fakan-kevitra ity aorian’izany.

Hialana amin’ny fampiasana harina sy kitay

Manimba sy mandoto ny tontolo iainana ny fanamboarana harina fandrehitra sy ny fampiasana izany. Eo ihany koa ny fikarohana kitay izay mampihena ny ala. Etsy andaniny anefa dia mbola 95% ny tokantrano malagasy amin’izao fotoana izao no mampiasa ireny ho amin’ny fahandroana. Tanjona amin’ny fandrafetana ity politika nasionaly ity araka izany ny hialana amin’ny fampiasana ireny eo amin’ny Malagasy rehetra. Raha ny fantatra mantsy dia misy fiantraikany ratsy amin’ny fahasalamana ihany koa ny fampiasana ireo rehetra ireo. Izany no nanatanterahana ity fakan-kevitra ity hahafahana mahita ny pitsopitsony rehetra tokony ho ampidirina sy raisina an-tanana. Mbola lavitra ny lalan’ny Madagasikara amin’izany saingy marihina fa miara-miasa ao anatin’izany ny rafitra maro. Ao ny ONUDI, ny PNUD, ny PAM, ny GIZ, ny SEforALL, ary ny UNESCO. Mandray anjara mavitrika ny « Madagascar Clean Cooking Initiative » (MCCI), izay hivondronan’ireo mpisehatra 48 avy amin’ny Faritra 13 eto Madagasikara, hatreto.

Fanatrarana ny fampandrosoana maharitra

Mifandraika indrindra amin'ny Politika Ankapoben'ny Fanjakana (PGE) sy ho fanatrarana ny ODD7 dia laharam-pahamehana ny firosoana amin'ny fampiasana ireo angovo azo havaozina sy akora biolojika, mifanaraka amin'ny fomba fahandroana sakafo madio eto Madagasikara. Mifandray indrindra izany rehetra izany amin’ny tanjona ho an’ny Afrika izay tena lehibe. Izany dia ny mba hahafahan’ny olona maherin’ny 500 tapitrisa hahazo angovo maharitra sy azon’ny rehetra jifaina ary azo antoka amin'ny taona 2025. Raha ho an’ny Madagasikara manokana moa dia miaraha-misalahy amin’ny Ministeran’ny angovo sy ny akoran’afo (MEH) amin’ny fanatontosana ny tetikasa ny Ministeran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola, ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, ny Ministeran’ny mponina sy ny firaisankina, ny Ministeran’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny « Cabinet Sapphyre R&D ».

Lire la suite

Articles Similaires