• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Antenimierampirenena
Image
Vaovao

Fahasalamana : Nitsidika ny Antenimierampirenena ny iraka avy amin'ny Firenena Mikambana miady amin’ny SIDA

21/10/2024 16:23 © Moov

Nitsidika ara-pomba fanajana ny Antenimierampirenena androany 21 oktobra ny iraka avy amin'ny Firenena Mikambana mikasika ny ady amin'ny SIDA. Ramatoa Anne Muthoni Githuku-Shongwe, Directrice régionale ONUSIDA sy Andriamatoa Jude Padayachy, Directeur Multipays de l'ONUSIDA no tonga tao anatin’izany Delegasiona izany. Ny Filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Andriamananoro Augustin, niaraka tamin’ny Solombavambahoaka Razafindriatsara Johnson Anatol sy ny Sekretera Jeneraly Randriamahafanjary Calvin kosa no nandray azy ireo.

Hanampy ny ezaka momba ny ady amin’ny SIDA

Mitoetra ho areti-mandoza aty Afrika, anisan’izany i Madagasikara, ny aretina VIH/SIDA. Araka izany, adidy hiraisana ny ady amin’io aretina io sy hiarovana ny taranaka aoriana amin’izany. Manana andraikitra amin’izany ny Parlemanta raha ny fanazavana avy amin’ireto ONUSIDA ireto nandritra io fihaonana io. Nanentana ny Solombavambahoaka araka izany izy ireo ny mba hidirana anatin’ny vondrona afrikanina miady amin’ny SIDA. Izany dia hahafahana manatevina ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanatsarana ny lalàna ho fiarovana ny ankizy niharan’ny fanolanana, ny ady amin’ny "tourisme sexuel", ary ny fandrafetana ny teti-bola ho an’ny fampiharana ireo programan’asa isan-karazany. Eo ihany koa ny fiaraha-miasa akaiky amin’ny Fahefana Mpanatanteraka mba hampiharana ny politikam-panjakana eo amin’ny sehatry ny fahasalamana.

Hanamafy ny fanentanana

Nanamafy sy nampatsiahy ireto Delegasiona avy amin’ny ONUSIDA ireto ny amin’ny adidy miandry ny Parlemanta mikasika ity ady amin’ny SIDA ity. Zava-dehibe izany noho ny fifandraisan’izy ireo akaiky amin’ny vahoaka. Anisan’ny azon’izy ireo atao ao anatin’izany ny fahafahana manamafy ny fanentanana sy ny fanaraha-maso ny fitantanana ny programan'asa mifandraika amin’ny fisorohana sy fitsaboana ny aretina. Raha tsiahivina, mbola lehibe ny ezaka mila atao raha te hamongotra na hampihena ny tahan’ny olona tratran’ity aretina ity eto Madagasikara. Izany indrindra no tokony handraisan’ireto Solombavambahoaka ireto anjara amin’io asa io. Mbola anisan’ny ady mafy tokony tanterahin’ireto Parlemanta ireto ihany koa ny fanokafana sy fanampiana ny famatsiam-bola ho amin’ity ady amin’ny SIDA ity. Ilaina rahateo izany amin’izao fotoana izao.

Lire la suite

Articles Similaires