• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mpeb
Image
Vaovao

Faritra Fitovinany : Mpanjono oratsimba miisa 60 nisitraka fampitaovana

21/10/2024 14:37 © Moov

Fampiroboroboana ny toekarena manga. Nisitraka fampitaovana na ireny « kits de plongé » ireny ireo mpanjono oratsimba miisa 60 tao Ambohitsara, Kaominina Savana, Distrikan’i Vohipeno, Faritra Fitovinany. Fanohanana, izany hoe fanampiana amin’ny velon-tena sy fiarovan-tena amin’ny asany no ilaina ireo fitaovana ireo. Avy amin’ny Ministeran’ny jono sy ny toekarena manga izany rehetra izany.

Jono madinika

Mbola mitana anjara toerana lehibe eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ny sehatry ny jono madinika. Ao anatin’izany indrindra dia ilaina ary tokony ho raisina ho zava-dehibe ny fampiroboroboana azy io. Izany indrindra rahateo no nahatonga ity fanolorana fitaovana ity. Raha ny fanazavana dia milofo indrindra ho amin’izany ny Ministera amin’izao fotoana izao. Fikambanana miisa 2 no nisitraka izao fanohanana ara-pitaovana izao. Tao anatin’izany ny Koperativa Soafitarika izay nahazo “Kit de Plongé” miisa 40 ary ny fikambanana Jonobe izay nomena “Kit de Plongé” miisa 20. Nahitana fitaovana maro toy ny combinaison na akanjo hoentina mijoboka, maska, tuba ary palma ireo fitaovana natolotra ireo. Ankoatra izay moa dia notolorana ny karatra maha-mpanjono ihany koa ireto mpanjono ireto ankoatra izao fizarana fitaovam-panjonoana izao.

Fanapoizinana amin’ny hazan-dranomasina

Ankoatra ireo fanolorana fitaovana ireo dia mbola noraisin’ny Ministera ho zava-dehibe ihany koa ny fanentanana ireo vahoaka ny momba ny fanapoizinana vokatry ny fihinanana haza an-dranomasina sasantsasany. Ireo mpanjono sy ny fianakaviany no tena noentanina tamin’izany. Tsara mantsy ny manamarika fa misy karazana fia mitondra poizina indrindra rehefa fotoana mafana toy izao. Nanentana ny mponina araka izany izy ireo mba ho mailo hatrany amin’ireo karazana trondro tokony hoanina. Nampatsiahivina nandritra ny hetsika ireo karazana trondro mety hiteraka fanapoizinana sady mety hahafaty mihitsy. Nampahafantarina azy ireo ihany koa ny fomba fikarakarana ny trondro.

Lire la suite

Articles Similaires