• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Polisim-Pirenena Malagasy
Image
Vaovao

Fiaraha-miasa : Nahazo fitaovana tamin’ny Governemanta sinoa ny Polisim-pirenena malagasy

21/10/2024 15:42 © Moov

Notoloran'ny Governemanta sinoa fitaovana ny Polisimpirenena malagasy. Napetraka omaly 20 oktobra tao amin'ny Sekolim-pirenena Ambony ho an'ny Polisy eny Ivato izany. Sady nitsidika ny Sekoly ry zareo Sinoa ireo no nijery ny hampiasana ireo fitaovana ireo nandritra izany fotoana izao. Ny laboratoaram-pikarohana siantifika elektronika ao amin'io sekoly ambony io no hampiasa ireo fitaovana samihafa ireo.

Fitaovana informatika

Fampitaovana ny laboratoara ara-pitsarana elektronika no nanomezana ireo fitaovana samihafa ireo. Tao anatin’izany ny fitaovana famerenana angona (récupération des données), solosaina, fitaovana iray ara-pitsarana ho an’ny toerana nanaovana fanadihadiana, rindrambaiko iray ho an’ny fanadihadiana no natolotr'ireo sinoa ireo. Delegasiona avy amin’ny Minisiteran’ny Varotra Sinoa, notarihin’Andriamatoa Liang Haofei, Tale jeneraly lefitry ny Sampan-draharahan’ny Fitantanam-bola no nitsidika ny fomba fampiasana ireo fitaovana ireo. Nitarika ny delegasiona avy amin'ny Polisimpirenena kosa ny Tale Jeneraliny, ny Contrôleur Général de Police Rakotozanany Dany Marius. Manana tanjona lehibe ny fanolorana ireo fitaovana ireo dia ny fanombanana ny vokatry ny tetik’asa fanampiana avy amin’ny sinoa. Io fitsidihana ny toerana hametrahana azy ireo io kosa dia natao indrindra hijerena ny toerana sy ny fitaovana napetraka, ary ny fifampidinihana momba ny fiaraha-miasa amin’ny ho avy.

Fampiofanana

Tafiditra ao anatin’ny tanjon’ny fanolorana fitaovana toy izao ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana Malagasy sy Sinoa. Ankoatra ireo fitaovana ireo ary ihany koa ho fanamafisam-pahalalan’ireo Polisy dia hisy ny fampiofanana ireto farany. Haharitra 15 andro io fampiofanana atolotry ny manam-pahaizana sinoa mba hampianarana ireo mpiasa ao amin’ny Polisimpirenena hampiasa ireo fitaovana ireo io. Zava-dehibe eo amin’ny asan’ny Polisim-pirenena mantsy ireo fitaovana ireo. Natao hampitomboana ny fahafahamanaon’ny Polisimpirenena amin’ny fanadihadiana mba hahafahana miatrika amim-pahombiazana ny heloka bevava izany. Ao anatin’ny dingana vaovao ho an'ny fiaraha-miasa malagasy-sinoa hatrany io fampitaovana sy io fampiofanana io.

Lire la suite

Articles Similaires