• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Telma
Image
Vaovao

Telma Madagascar : 10 taona nanolorana Internet amin'ny alalan'ny Fibre Optique

21/10/2024 14:37 © Moov

10 taona izao no nanoloran'ny Telma Madagascar ny Internet amin'ny Fibre Optique. Mihatsara ny kalitao atolotra, nefa miha-mora ny saran'ny fanjifana.

Fibre Optique mora indrindra eto Afrika

Ny faran'ny herinandro teo no nanoloran'ny Telma Madagascar ny Fibre Optique mora indrindra. Latsaky ny 10 euros izany, dia 49 000 ariary isam-bolana. Fanomezana goavana izany, amin'izao fankalazana ny faha-20 taonan'ny fisintahan'ny fanjakana amin'ny Orinasa izao (Privatisation).
Tamin'ny nampahafantarana ny Internet Fibre Optique voalohany, 10 taona lasa izay, dia 249 000 ariary na 50 euros no nalohan'ny mpanjifa. 100 Mbps nefa ny hafainganam-pandehan'ny Internet tamin'izany. Amin'izao taona 2024 izao dia miakatra 200 Mbps ny hafainganam-pandehan'ny Internet nefa mihena ny vidiny, izay latsaky ny 50 000. Tsy mihena mihitsy ny "débit" na maro aza ny mpampiasa ny Fibre Optique. Tsara ny mampahatsiahy fa manana "Sortie internet" maromaro ny Telma. 4 ny "Câbles" any ambany ranomasina, ka firenena vitsy eto Afrika ihany no manana izany. Mahatratra 80 000 euros isan-taona moa ny saran'ny fikojana ireo fotodrafitr'asa maro ampiasaina hahafahana manolotra Internet tsara kalitao ho an'ny mpanjifa.

Tolotra mamaly ny hetahetan'ny mpanjifa

Ny tolotra Fibre Family (249 000 ariary) dia hahazoana 1 500 Go be izao. Ny Fibre Family indray (149 000 ariary) dia hisitrahana 500 Go. Mbola misy ihany koa ny Fibre GO (99 000 ariary), izay 250 Go ny FUP. Rehefa nojerena nefa ny fandanian'ireo mpanjifa dia tsy mahatratra 150 Go isambolana akory. Izany indrindra no anolorana ny tolotra Fibre'in, hahazoana 100 Go, amin'ny vidiny 49 000 ariary monja. Ny tokantrano malagasy mampiasa fitaovana avolenta vitsivitsy no tena tsinjovina amin'izao tolotra farak'izay mora izao. Any Frantsa mantsy dia mbola manodidina ny 20 euros ny saran'ny Fibre Optique.
Misy ny tolotra hafa ho an'ireo orinasa sy ireo mpiasa tena. Raha te hisitraka ny tolotra Fibre Optique, na ho an'ny tokantrano na ho an'ny asa, azo atao tsara ny manantona Telma Shop.

Lire la suite

Articles Similaires