• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Adventiste
Image
Vaovao

Laboratoara siantifika : Tsy afa misaraka amin’ny fandaharam-pianarana ankehitriny

21/10/2024 14:01 © Moov.Mg

Tsy fa-misaraka amin’ny fandaharam-pampianarana ankehitriny ny fampiharana mivantana ireo lesona nianarana tao an-dakilasy. Manana tombony kokoa, noho izany ireo sekoly manana laboratoara, ahafahana manao fanandramana ireo lesona teôrika.

Fanandramana hita maso

Nanana laboratoara efa hatry ny ela ny Lycée privé adventiste Rajoelison Soamanandrariny (LYPARS), saingy efa tranainy izany ary tsy dia nisy nampiasa firy. Noho ny fahatsapan’ireo tomponandraikitry ny sekoly, fa manan-danja amin’ny fampitana fahalalana ny fanatanterahan’ireo mpianatra fampiharana, dia nohavaozina tanteraka ity laboratoara ity. Nohatsaraina ny fitaovana rehetra tao anatiny ary namboarina ihany koa ny efitrano. Nambaran-dRaoeliarijao, talen’ny departemantan’ny fanabeazana eo anivon’ny Fivondronambe Adventista aty amin’ny Oseana Indianina, fa ny hanatsarana ny fahaizana no antony nanavaozana ity laboratoara siantifika ity. Mifanojo amin’ny tanjon’ny foibe adventista maneran-tany izany, dia ny hoe : “Mandeha mankany amin'ny tsara indrindra”. Nilaza kosa ny talen’ny departemantan’ny fanabeazana eo anivon’ny Federasiona Adventista Madagasikara Afovoany, ny pastora Raherinjatovo Nirina Harifidy, fa zava-dehibe ho an’ny mpianatra ny fahazoana io fotodrafitrasa io. Tombontsoa manokana ny hamerenana indray ny fanaovana fanandramana hita maso sy ny fikirakirana amin'ny tanana ny zavatra ampianarina.

Fahalalana fanampiny

Taorian’ny fitokanana, tamin’ny faran’ny herinandro teo, dia nisokatra avy hatrany ho an’ny mpianatra ny laboratoara. Nilaza i Ravaka, solontenan’ny mpianatra, fa mampitombo ny fahaizana, ahafahana manao fanandramana mivantana ary manome fahalalana mihoatra ny ao am-pianarana, ny fananana izao laboratoara izao. Ireo mpianatra manomboka eo amin’ny taona fahenina hatramin’ny kilasy famaranana, ao amin’ny LYPARS moa, no ho afaka mampiasa ity laboratoara siantifika ity. Isan’ny azon’izy ireo hanatanterahana fanandramana ao, ny taranja fizika sy simia ary ny siansa.

Nirary soa ho an’ireo mpianatra, ny pastora Andriamparatiana Fanera, filohan’ny Federasiona Adventista Madagasikara Afovoany, nandritra ny lanonanam-pitokanana ny laboratoara. Mba hahazo fahalalana sy fahendrena anie ny mpianatra, hoy izy, ary tsy hanadino ny Teny aloaky ny vavan'Andriamanitra, rehefa mahazo fahalalana sy fahendrena.

Lire la suite

Articles Similaires