• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © National Geographic
Image
Vaovao

Kongresy iraisampirenen’ny « primatologue » : Fotoana iray hahafahana miaro ny voninahi-pirenena

21/10/2024 12:07 © Moov

Hotanterahina eto Madagasikara amin’ny taona 2025 ny Kongresy iraisampirenen’ny « primatologue » andiany faha-telopolo. Amin’ny maha-filohan’ny International Primatological Society (IPS) an’i Professeur Jonah Ratsimbazafy dia nanambara ny tokony hisian’ny fiaraha-mientana amin’ny fanomanana izany ny tenany. Anisan’ny fotoana iray hahafahana miaro ny voninahi-pirenena io fotoana lehibe io raha ny fanazavany.

Fanatsarana fitantanana

Zava-dehibe eo amin’ny tontolon’ny diplaomasia amin’ny sehatra maro ny fisian’ity fotoan-dehibe ity. Olona aman’aliny matetika no tonga mamonjy izany fotoana izany. Misy amin’izy ireo no mpikaroka, mpampianatra, mpiaro ny tontolo iainana sy ireo maro hafa. Hitsidika ireo faritra arovana maro na valan-javaboahary maro aty Madagasikara izy ireo mandritra izany. Misy amin’izy ireo anefa no tsy afaka handeha alavitra fa eto Antananarivo ihany. Antony iray tokony hanatsarana ny fitantanana ny valan-javaboahary Tsimbazaza izany. « Hitondra ny zavatra hitany any ivelany ireo olona ireo. Mila fanatsarana araka izany ny valan-javaboaharin’ny Tsimbazaza satria anisan’ny hitarafan’izy ireo ny fomba fitantanana aty amintsika io toerana io », hoy ny fanazavan’i Professeur Jonah Ratsimbazafy hatrany. Raha tsiahivina dia efa manomboka miha-simba sy miha-ratsy ny fotodrafitrasa ao an-toerana ka mila ny fiaraha-mientan’ny tsirairay izany.

Hampitoviana amin’ny valanjava-boahary maneran-tany

Raha tsiahivina dia efa ny volana janoary tamin’ity taona ity no fantatra fa handray io fotoan-dehibe io i Madagasikara. Efa nanomboka tamin’izany no niantsoan’ity manam-pahaizana ity ny fiaraha-miasan’ny rehetra. Mitohy hatrany izany antso izany ho fanomezam-boninahitra ny fikarohana sy ny fampianarana ambony fa indrindra ny firenena iray manontolo. Anisan’ny vahaolana naroso raha ho an’ny valan-javaboaharin’ny Tsimbazaza manokana ny fangaraharan’ny fitantanana. « Mampihemotra ny mpamatsy vola ny tsy fahaizantsika mitantanana kanefa tena mila izany io toerana io. Eo ho eo amin’ny 30 000 dolara eo fotsiny anefa dia mety efa ampy ho amin’ny fanavaozana », hoy hatrany i Professeur Jonah Ratsimbazafy. Tanjona amin’izany ny hampitovy lenta io valan-javaboahary io amin’ny rehetra maneran-tany. Marihina ihany koa moa fa hanamarihana ny fiafaran’ny fitondran’ity farany ny IPS io fihaonambe io ka ho fivoahany amin’ny fomba mendrika izany fahatsarana rehetra izany.

Lire la suite

Articles Similaires