• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 14 hatramin'ny 20 oktobra 2023

20/10/2024 22:34 © Moov

Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 14 hatramin'ny alahady 20 oktobra

CAN 2025 # Mijanona amin'ny laharany ny Barea

Resin'ny ekipan'i Gambie tamin'ny isa 1-0 ny Barean'i Madagasikara tamin'ny lalao miverina, ny alatsinainy 14 oktobra lasa teo. Araka izany, somary atahorana ny hahatafiditra an'i Madagasikara ho anisan'ireo hiady ny amboara amin'ny CAN 2025 any Maroc. Hatreto dia mijanona amin'ny laharana faha-4 sady farany ao amin'ny vondrona A isika. Arakaraka ny valin'ny lalaon'ireo firenena hafa no hampisy na tsia ny fanantenana. Mbola hisy ihany koa ny lalao izay ho atrehina. Na dia efa sarotra aza ny ady, antenaina fa hanao izay fara-heriny ny mpilalao malagasy amin'ny volana novambra.

CUA # Haintrano miisa 4 no voavonjy tao anatin'ny andro iray

Mbola ao anatin'ny vanim-potoanan'ny maintany isika izao, na dia efa manomboka latsaka aza ny orana. Misesy araka izany na ny haintrano na ny doro tanety. Tamin'ny sabotsy 19 oktobra lasa teo, haintrano miisa 4 be izao no novonjen'ny Mpamonjy voina. Tany Analamahitsy, 67Ha, Talatamaty ary Soavinandriana Antsahakely no nisehoan'izany. Tsy nisy moa ny aina nafoy. Entanina ny tsirairay hampandre ny Mpamonjy voina avy hatrany amin'ny laharana 118, raha misy firehetana ao an-trano na eo amin'ny manodidina.

Internet # Mihena ny vidin'ny fisitrahana Fibre Optique

Ny zoma lasa teo no nanao fanambarana ny Minisitry ny Paositra, ny Nomerika sy ny Fifandraisandavitra fa hihena ny saran'ny Internet eto Madagasikara. Latsaky ny 10 euros isam-bolana izany, ka heverina fa sarany mora indrindra eto Afrika. Manomboka izao àry dia azo jifaina amin'ny sarany 49 000 ariary ny Fibre Optique eo anivon'ny Tambazotra Telma Madagascar. 100 Go no sitrahina, ary maimaimpoana ny fitaovana sy ny fametrahana ireo singa teknika hahazoana izany. Azon'ny mpanjifa rehetra atao ny manantona ny Telma Shop raha mila fanazavana fanampiny na hisitraka ny tolotra.

Fonjan'Antanimora # Misy Sampam-pianarana vaovao

Toeram-panarenena ny fonja, ka omanina ireo voafonja hiverina eny amin'ny fiaraha-monina aorian'ny famitany ny saziny. Ny 11 oktobra lasa teo no nanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny fampianarana ny teny vahiny, tamin'ny alalan'ny Tetikasa "Tohanako". Nisafidy ny fampianarana ny teny anglisy sy ny teny sinoa (mandarin) izy mpanohana, hampianarina ny voafonja, noho ireo teny ireo mbola azo lazaina fa mbola malalaka eo amin'ny sehatra arak'asa. Nisitraka fanampiana ara-tsakafo sy masomboly ihany koa ireo voafonja. Tsara ny manamarika fa efa misy ny fampianarana mamaky teny sy manoratra eny amin'ny Fonjan'Antanimora.

Famatsiana ny tsena anatiny # Ampy tsara ny tahirim-bary

Ampy tsara hatreto ny tahirim-bary any amin’ny Faritra Vakinankaratra, Itasy ary Atsimo Atsinanana, araka ny tatitry ny Fitaleavam-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (DRIC). Raha ny ao Antsirabe I ohatra, manodidina ny 700 taonina ny tahirim-bary. Ny any Itasy kosa, 127 taonina ny tahiry, ary tena afaka misitraka karazam-bary maromaro ireo mpanjifa. Raha ho an'ny faritra Atsimo Atsinanana kosa, misy mpandraharaha manana tahirim-bary gasy hatramin’ny 40 taonina. Azo lazaina fa mitobaka ny vary eny an-tsena, ka 850 Ar ka hatramin’ny 950 Ar ny iray kapoaka eny amin'ireo mpainjara. Tsy tokony hisy ahiana izany ny hiatrehana ny vanim-potoanan'ny fahavaratra.

Fahasalamana # Fanaovana vaksiny maimaimpoana ny zaza

Ny 15 hatramin'ny 19 oktobra lasa teo no nanatanterahana ny fanaovam-baksiny maimaimpoana ny zaza eto Madagasikara. Tanjon'izany hetsika izany ny hampitomboana ny hery fiarovan'ny zaza, mba hisorohana aretina maro.
Ny vaksiny miady amin'ny kitrotro sy ny polio no votoanton'ny hetsika. Nentanina manokana ireo reny mba hitondra ny zanany hanantona tobim-pahasalamana, indrindra ireo mbola tsy nampanao vaksiny ny zanany mihitsy. Misy ihany ireo efa vita vaksiny saingy tsy ampy fatra. Efa saika resy lahatra amin'ny fanaovam-baksiny avokoa na ireo mipetraka an-tanan-dehibe na ireo any ambanivolo.

Fiompiana # Mitohy ny fampivoarana amin'ny alalan'ny PDSEM

Mitohy hatrany ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo tekinisianin’ny fiompiana, ho fanamorana sy fandrafetana ny « Drafitrasa Fampandrosoana ny Sehatry ny Fiompiana eto Madagasikara » na PDSEM. Fampiofanana andiany fahatelo, natao teny Ampandrianomby izay mifototra amin’ny fanjohiana sy fanatsarana ny sehatry ny fiompiana eto Madagasikara.Nandritra ny 5 andro ny fiofanana. Tsy ny teto Analamanga ihany no nisitraka izany fa ny tany Vakinankaratra ihany koa.
Misy ny fampiasana ny « Outils LSIPT » : fitaovana na teknika ampiasaina amin'ny fanadihadiana, afaka manampy amin'ny fanangonana angona na vaovao, alaina eny amin’ireo tantsaha mpiompy eny ifotony, ary ahafahana mamoaka vina ara-bola eo amin’ny sehatry ny fiompiana : toy ny fiompiana Omby, ny Ondry aman’Osy , ny fiompiana Kisoa ary ny Fiompiana akoho.

Iavoloha# Nisy mpandraharaha matanjaka nandalo teto Madagasikara

Noraisin'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny mpandraharaha emirati, Mohamed Alabbar, Filoha Mpanorina ny vondrona EMAAR, ny alatsinainy 14 oktobra lasa teo. Efa nampitolagaga izao tontolo izao ny zava-bitan’izany vondrona izany tao Dubaï, raha tsy hilaza afatsy ny fanovana endrika ny tanàna toy ny tamin’ny fananganana ny Burj Khalifa, ny Dubaï Mall na koa ny Dubaï Marina.
Naneho ny fahavononany hiara-dia amin'i Madagasikara amin'ny fametrahana fotodrafitrasa amin’ny sehatra maro ity mpandraharaha ity, ary izany no nodinihina niaraka tamin’ireo minisitra isan-tokony. Anisan’izany ny fananganana toerana fandraisam-bahiny sy ny fampiroboroboana ny fizahantany, ny fanamboarana lalana, ny fampivoarana ny sehatry ny angovo ary ny indostria mpanodina vokatra na ny "agro-alimentaire".

Antananarivo # Tsy maintsy ho voavaha ny olan'ny rano

Tsy maintsy ho voavaha tanteraka ny olan'ny rano amin’ny vanim-potoanan'ny main-tany manaraka. Nijery manokana ny toerana hametrahana ny famokarana rano ao Amoronankona ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina. Efa an-dalam-pahavitana ireo dingana momba ny fananan-tany ka afaka miroso ny fananganana ny toby izay hamokatra rano hatramin’ny 60.000m³. Miampy ireo toby izay hatsangana ao Ambohitrimanjaka sy Mandroseza dia ho feno ny filan'ny mponina rano eto Antananarivo renivohitra. Hisy ihany koa ny fanadiovana ny farihin'i Mandroseza hahafahana mampitombo ny rano azo ao an-toerana.
Ho famatsiana rano mivantana ny mponina ao anaty fohy ezaka dia mitohy ny famenoana ireo "bonbonnes" manerana ny fokontany samihafa ary nanolotra "camions citernes" miisa efatra vaovao ny Banky Iraisam-pirenena ho fanatanterahana izany.

Avaradrano # Nahazo Lapan'ny Fitsarana sy Fonja vaovao

Tsy voatery ho eny amin’ny Fitsarana Anosy intsony ireo manana raharaham-pitsarana ao amin'ny distrikan'Avaradrano. Mponina 563.000 amina kaominina miisa 39 no hisitraka ny fijoroan'ny Lapan'ny Fitsarana Ambaratonga voalohany.
Tsy vitan'izany ihany fa misy ihany koa ny fonja vaovao eny an-toerana. Mahazaka voafonja miisa 900 io toerana io. Araka ny toromarika nomen'ny Filoha Andry Rajoelina dia tsy tokony ho toerana fanasaziana fotsiny ny fonja fa tokony hanarenana sy hanitsiana ny olona diso lalana ka mila omena fiofanana arak'asa izy ireny mba tsy ho vesatra fa ho olom-baovao rehefa miverina eo anivon'ny fiaraha-monina.

Ankazobe # Mangotraka ny ady amin'ny dahalo

Nikasa ny handrava ny tananan'i Ampandramaro Fkt sy Cr Antakavana Dist Ankazobe ny andiana dahalo mirongo basim-borona, ny alin'ny 12 oktobra lasa teo. Efa misy mpitandro filaminana anefa niambina ny tanàna ka afaka namaly bontana ny tifitra nataon'ireo dahalo ireo. Vokatr'izany, vaky nandositra ireo dahalo ary tsy nahazo na inona na inona. Tsy vitan'izany nefa fa nisy ny fanarahan-dia nataon'ireo mpitandro ny filaminana sy ireo fokonokona. Nandoro tanety nefa izy ireo mba hanakanana ireo mpanara-dia. Azo lazaina fa efa mahomby ny stratejian'ireo mpitandro ny filaminana any an-toerana. Miara-misalahy amin'ny ady amin'ny dahalo rahateo ireo mponina.

Ambolotarakely # Dahalo 7 no maty, ary avotra ireo takalon'aina

Mbola tany Anjozorobe ihany ity tranga ity, tany Ambolotarakely. Naka takalon'aina ireo dahalo dia vadina mpitandrina iray. Nisy àry ny fifandonana teo amin'ireo olon-dratsy sy ny mpitandro ny filaminana, ka dahalo miisa 7 no lavo : lehilahy 5 sy vehivavy 2. Dahalo miisa 6 kosa no azo sambo-belona, ka ny 4 amin'ireo dia vehivavy vady sy sipan'ireo olon-dratsy. Azon'ny mpitandro ny filaminana ihany koa ny Basy Mas 36 iray sy ny basim-borona miisa 3. Efa tafaverina amin'ny ankohonany moa ilay takalon'aina. Mitohy hatrany ny ady ataon'ny mpitandro filaminana amin'ny asa ratsy. Entanina hatrany ny rehetra mba hanome vaovao ny mpitandro ny filaminana na tojo fandrahonan'ireo dahalo aza.

Lire la suite

Articles Similaires