• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Minae
Image
Vaovao

Fahasalamana : Mpiofana momba ny fiatrehana valan’aretina miisa 30 vonona hidina an-tsehatra

21/10/2024 10:17 © Moov

Niampy ny mpitsabo ho amin’ny fiatrehana valan’aretina. Nisy ny fanolorana marim-pankasitrahana ho an’ireo « épidémiologistes de terrain ». Malagasy miisa 30 vaovao izany izay niofana tao amin’ny laboratoara Malagasy Medical Analysis (LA2M). Nanotrona izany ireo Tomponandraikitra avy ao amin'ny Ministeran’ny fahasalamam-bahaoka, ny Ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana (MINAE), AFD (Agence Française de Développement), Union européenne, ary ny COI(Commission de l’Océan Indien).

Fahasalaman’ny olombelona sy ny biby

Tanteraka io fampiofanana naharitra 13 herinandro io nohon' ny tohana sy finiavan’ny Tambazotra Sega one Health izay vatsian’ ny AFD sy ny Vondrona Eropanina Vola. Mikendry hatrany ny hanamafy ny rafitra ara-pahasalamana eto Madagasikara moa io fandaharan’asa io. Amin’ny ankapobeny ireto « épidémiologistes de terrain » ireto dia hidina an-tsehatra indrindra hiantoka ny fitiliana ireo aretina izay mety ahazo ny olona sy ireo biby fiompy. Ankoatra ireo mpitsabo olombelona mantsy dia nanamafy ny asa tanterahan'ny MINAE tamin'ny alalan'ireo teknisianina sy veterinera miahy ny fahasalaman'ny biby io fiofanana io. Raha tsiahivina dia hisehatra eo amin’ny fiatrehana sy ny fitsaboana ireo aretina mahazo ny biby ka mety hifindra amin’ny olomeblona ity fandaharan’asa ity.

Fampitaovana

Niampy ireto manam-pahaizana miisa 30 nahavita fiofanana ireto dia miisa 119 amin’izao fotoana izao ny « épidémiologistes » eto Madagasikara, hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana. Ho fanamafisana ny asa tanterahin’izy ireo araka izany dia nisy ihany koa ny fanolorana fitaovana maro karazana nomena ireo hanatevin-daharana ireo mpiahy ny Fahasalaman'ny biby ireo nandritra io fotoana io. Mitentina 5,5 lavitrisa ariary avy amin’ ny AFD sy ny Vondrona Eropeanina izany fanampiana izany. Ahitana solosaina maro, fitaovana ho an'ny laboratoara ary moto ny fitaovana. Sampandraharaha maro no hisitraka izany fampitaovana izany dia ny DSV, MINAE ary ny DVSSER. Ao anatin’izany ary dia hampihatra avy hatrany ny fahalalana noratoviny manerana ny distrika hiasany avy izy ireo hiarovana ny vahoaka Malagasy amin'ny valan'aretina.
Nisalotra ny anarana « atrika » moa ireto andiany faha-efatra ireto.

Lire la suite

Articles Similaires