• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Meah
Image
Vaovao

Famatsian-drano : Hatsangana eny Amoronakona ny ivon-toerana mpamokatra rano hatramin’ny 60 000m3

17/10/2024 16:45 © Moov

Noraisina ho laharam-pahamehana ny olan’ny rano. Noraisina tamin’ny filan-kevitry ny Minisitra omaly ny hanafainganana ny fanamboarana ny fotodrafitrasa famokarana rano eny Amoronakona. Fanapahan-kevitra indrindra izany taorian’ny fitsidihana nataon'ny Filohan’ny Repoblika teny an-toerana. Araka izany, hamafisina sy hatsaraina ny famatsian-drano fisotro madio ho an’Antananarivo sy ny manodidina.

Rano hatramin’ny 60 000m3

Ivon-toerana mpamokatra rano hahatratra hatramin'ny 60.000m³ isanandro no hatsangana eo amin’ity velaran-tany mirefy 4Ha eo Amoronankona ity izay nafindra amin'ny anaran'ny minisiteran'ny rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana ho ilain'ny JIRAM S.A. Ny fananganana ity toeram-pamokarana rano ity moa dia tafiditra ao anatin’ny tetikasa TANA WATER III izay vatsian'ny Banky Iraisam-pirenena vola. Hanampy betsaka amin'ny famahana tanteraka ny olan’ny famatsian-drano amin'ny vanimpotoan'ny main-tany izany. Ankoatra ity eo Amoronankona ity dia hisy ihany koa ny toeram-pamokarana rano hatsangana ao Ambohitrimanjaka ( 40.000m³) sy ao Mandroseza (10.000m³). Etsy ankilany anefa ankoatra ireo ezaka ireo dia dia hisy ny fanamboarana "forages" vaovao na na fanajariana izay simba miisa 35 izay ho vitaina ao anatin'ny iray volana, araka ny vinavina.

Vokatra vonjimaika

Araka ny toromarika nomen'ny Filohan’ny ny Repoblika hatrany dia efa niasa ny Centre Opérationnel Rano (COR) izay napetraka ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina ho fandrindrana ireo hetsika vonjy maika hamahana ny olan'ny famatsian-drano eto andrenivohitra. Nifarimbona nifanome tanana eo anivon'izany ireo mpikambana ao amin'ny Governemanta. Nisy avy hatrany ireo fepetra noraisina. Nahitam-bokany ireo fepetra noraisina ireo toy ny fitomboan'ny famatsian-drano ho 1000m³ isanandro raha 200m3 fotsiny izany teo aloha. Raha ny tatitra ihany koa dia nihena ny fotoana fiandrasana eny amin'ny toerana fitsinjarana rano ary latsaky ny 50 ireo "bidons" milahatra eny amin’ireo paompin-drano. Anisan’ny nahafahana nanatratra izany tanjona izany ny fampiharana ireo fepetra samihafa. Ao anatin’izany ny fampitomboana 2 ka hatramin'ny 25 ny isan'ny kamiao mpitatitra rano. Eo ihany koa ireo fitaovana nampiasaina toy ny fiara, motopompes, solosaina, tranolay ary fitaovana samihafa ilaina mba hiantohana ny fahombiazan'ireo hetsika sy ireo fepetra maro samihafa.

Lire la suite

Articles Similaires