• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Us Embassy
Image
Vaovao

Fampianarana teny anglisy : Tanora amerikanina 4, hifampizara traikefa amin’ny mpampianatra malagasy

16/10/2024 16:29 © Moov.Mg

Tanora amerikanina miisa 4, mpampianatra teny anglisy, no tonga eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Hiara-hiasa amin’ireo mpampianatra teny anglisy eto an-toerana izy ireo, mandritra ny 9 volana eo ho eo.

Fandaharanasa ETA

Voafantina hisitraka tohana, hahafahany manana traikefa eo amin’ny lafiny fampianarana, izy efatra mianadahy ireto, ao anatin’ilay fandaharanasa Fulbright English Teaching Assistant (ETA). Tanora amerikanina vao nahavita ny fianarany teny amin'ny ambaratonga ambony, na koa vao miditra amin'ny sehatry ny asa, ireo ETA, ka hampianatra mandritra ny sivy volana amin'ny sekoly sy oniversite samihafa maneran-tany. Ho an’i Madagasikara manokana dia hiara-miasa amin'ireo mpampianatra sy mpianatra teny anglisy eny amin'ny sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny Fanjakana, eny amin’ireo English Clubs sy American Corners ary ireo rafitra samihafa, izy efatra mianadahy.

Isan’ny tafiditra ao anatin’ny mason-tsivana ifantenana ny ETA ihany koa ny fahafahan’izy ireo mikarakara hetsika ivelan’ny fandaharam-pianarana mahazatra, toy ny mozika, ny dihy, ny klioba ho fampiroboroboana ny teny anglisy, ny klioba ho an’ireo tia mamaky boky… Namporisihina handray anjara amin’ity tohana ho an’ny tanora amerikanina ity, ankoatra izay, ireo izay liana manokana amin’ny teny, ny kolontsaina, ary ny tantaran’i Afrika.

Samy hahazo tombony

Nandray sy niarahaba azy ireo manokana, omaly 15 ôktôbra 2024, ny masoivohon’i Etazonia eto Madagasikara, Claire Pierangelo. Io fotoana io ihany koa no nanamarika ny fanombohana ny asa fampianarana hataon’izy ireo. Nisy moa ny fanomezana torolalana ho an’ireto tanora ETA ireto, nandritra ny efatra andro, mialohan’ny hamonjen’izy ireo ny sekoly ambaratonga faharoa fototra sy ny lisea, izay hampianarany teny Anglisy eto Antananarivo, any Mahajanga, Moramanga ary Antsirabe. Tombony amin’ny fifanakalozana toy izao ny fahafahan’ny mpianatra malagasy mampitombo ny fahafantaran'izy ireo an'i Etazonia. Etsy an-daniny, ireo ETA kosa dia hianatra sy handalina ny teny Malagasy, no sady hahazo traikefa eoamin’ny sehatr’asa fampianarana.

Lire la suite

Articles Similaires