• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

Federasiona Malagasy Volley Ball : Feno ny fandaharam-potoana ho amin’ity telo volana farany ity

17/10/2024 15:48 © Moov

Miditra amin’ny telo volana farany amin’ny taona 2024 ity ny taranja Volley Ball eto Madagasikara. Nanatanteraka valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny avy ao amin’ny Federasiona Malagasy ny Volley Ball niaraka tamin’ny Telma Madagasikara tamin’ity anio ity. Feno ny fandaharam-potoana raha ny fanazavana hatramin’ny volana desambra.

U23 sy Beach Volley zone 7 tour

Hamaranana ny taom-pilalaovana amin’ity taona ity ho an’ny taranja Volley Ball sy ny Federasiona ny lalao roa goavana. Hanombohana izany ny U23 na ny lalao hifanandrinan’ny tanora lahy sy vavy latsaky ny 23 taona. Ho tanterahina ny 27 oktobra hatramin’ny 2 novambra izao izany any amin’ny faritra Matsiatra Ambony. Ekipa enina avy amin’ireo sokajy ireo no handray anjara ao. Ao anatin’izany ny GNVB lahy sy vavy, UCVB lahy sy vavy, ny EVBI Ihosy lahy sy vavy, ny AGIR Fianarantsoa lahy sy vavy. Ao ihany koa ny VBSC Fianarantsoa sy BIA Analamanga ho an’ny vavy raha ny ASI Analamanga ho an’ny lahy. Fotoana iray ihany koa izy io efa hahafahana mitily sahady ny ekipa tokony handrafitra ny Ekipam-pirenena ho an’ny Lalaon’ny Nosy amin’ny taona 2027. Voasolotena ao avokoa mantsy ny Ligy Matsiatra Ambony, Ihorombe, Analamanga, Atsimo Atsinanana, ary i Atsinanana
Ankoatra io fifaninanana nasionaly io dia miandry ihany koa ny fifaninanana « beach volley zone 7 tour, Round 2 ». Hotanterahina any Mahajanga ny 27 hatramin’ny 30 novambra kosa izany. Ekipa roa lahy sy roa vavy isaky ny firenena no handray anjara amin’izany raha ny fanazavana. Ao anatin’izany i Comores, Mayotte, La Réunion, Réunion, Seychelles, Maurice ary Madagasikara. Raha tsiahivina kely kosa dia notanterahina tany Comore ny Round 1. Hotohizana any Maurice kosa ny andiany fahatelo ary any La Réunion no hanatanterahana ny lalao famaranana.

Fampiofanana mpanazatra

Ankoatra ireo lalao isan-karazany ireo anefa dia handray ny fampiofanana mpanazatra ihany koa isika eto Madaagsikara na ilay antsoina hoe « Cours d'entraineur niveau 1". Eto Antananarivo izany ny 5 hatramin’ny 9 novambra ho avy izao hatrany. Hampiofana mandritra izany ny « instructeur international » Razafinjatovo Jean Honoré. Tsara ny manamarika fa hahazoana ny mari-pahaizana iraisampirenena mitovy lenta amin’izay misy maneran-tany izany. Ny Federasiona Iraisampirenen’ny Volley Ball rahateo no mikarakara ny fampiofanana. Hahafahana manatrika fampiofanana hiakarana amin’ny ambaratonga ambony hatrany ihany koa io fiofanana io ho an’ireo mpanazatra.
Hofaranana kosa amin’ny fifaninana amin’ny sokajy « vétérans » ny taona izay mbola andalam-panadaminana izany, raha ny fanazavana farany.

Lire la suite

Articles Similaires