• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cum
Image
Vaovao

Valanaretina kôlera : Akatona indray ny sisin-tanin’i Mahajanga, ho fisorohana

17/10/2024 09:03 © Moov.Mg

Miverina mirongatra indray ny valanaretina kôlera ao amin'ny Nosy Kaomoro. Manoloana izany dia nankatoavin'ny Filàn-kevitry ny Minisitra, notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, omaly 16 oktobra 2024, ny fanakatonana vonjimaika ny sisin-tany amin'ny fitaterana an-dranomasina avy any Kaomoro.

Tranga maherin’ny zato

Mbola mitohy hatrany tokoa ny fiparitahan'ny valanaretina kôlera ao Afrika Atsinanana sy any amin’ny tandrok’i Afrika, izay efa nanomboka tamin’ny fiandohan’ity taona 2024 ity. Ao Kaomoro dia miverina mirongatra indray izany, satria tranga mihoatra ny 100 no efa voamarina any an-toerana ary efa nisy ihany koa no namoy ny ainy, araka ny fampitam-baovao. Manara-maso akaiky ny fivoaran'ny zava-misy ny tompon’andraikitry ny fahasalamana malagasy, araka ny tatitry ny filàn-kevitry ny minisitra, ka isan'ny arahi-maso akaiky ireo firenena manana fifandraisana an-dranomasina sy an’habakabaka amin’i Madagasikara.

Miato vonjimaika ny fitaterana

Eo anatrehan'izany dia nanolo-kevitra ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetry ny Andro, fa haato vonjimaika aloha ny fitaterana an-dranomasina avy any Kaomoro, mandra-pifehezana ny valanaretina, ka ny sambo mitondra entana stratejika ihany no mahazo alalana hiditra eto Madagasikara. Tsy mahazo midina ny sambo kosa anefa ireo tantsambo. Ho an'ireo mpandeha amin'ny sidina iraisam-pirenena rehetra, izay avy amin'ny firenena ahitana trangana kôlera kosa, dia tsy maintsy ampiharina eny amin’ny seranam-piaramanidina ao Mahajanga ny fisorohana, amin'ny alalan'ny "chimioprophylaxie".
Hisy, araka izany, ny toromarika halefa any amin’ireo tompon’andraikitra misahana ny fitaterana sy ny fiarovana ny sisin-tany, mba hampiharana ireo fanapahan-kevitra noraisina teo anivon'ny filàn-kevitry ny minisitra ireo.

Lire la suite

Articles Similaires