• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Metfp
Image
Vaovao

Fampianarana teknika : Tsy ampy ny fotodrafitrasa hahafahana mandray mpianatra

17/10/2024 09:49 © Moov

Feno loatra ny sekoly. Vitsy ny fotodrafitrasa hahafahana mandray mpianatra ao amin’ny sehatry ny Fampianarana teknika manerana ny Nosy. Izany no nivoitra nandritra ny fitondran-tenin’ny Minisitra, Rasoloarisoa Marie Marcelline, teo anatrehan’ireo mpamatsy vola miara-miasa amin’izy ireo omaly. Notanterahina rahateo izany fihaonana izany hahafahan’ireto farany mandray ny fanapahan-keviny sy manova ny fihetsiny eo amin’ny fandraisana anjarany ho an’ny tanora.

Simba sy tsy manaraka ny fenitra

Ilaina ny fiarahamiasa amin’ireo mpiara miombona antoka hahafahana manavao ireo toerana ireo. Nanamarika mantsy ny Minisitra fa avo dia avo io tsy fananana asa eo amin’ny tanora eto Madagasikara io. Mila miasa mafimafy ny Ministera hahafahana manatratra izany tanjona izany ka izay no anton’io fihaonana tamin’ny mpiara-miasa io. « Ilaina ny manana namana hahafahana mampitombo ny fihetsiketsehan’izy ireo. Efa lasa antitra avokoa ny fotodrafitrasa. Ao ireo tsy afaka mandray olona intsony noho ny fahasimbana sy ny tsy fanarahana ny fenitra ka izay no antony nanatanterahana ny fihaonana ho fampivoarana ny fiaraha-miasa », hoy hatrany ny Minisitra. Anisan’ny nandray anjara tamin’ity fihaonana ity ny Banky Iraisampirenena, ny Vondrona Eoropeanina, ny AFD, ny Masoivohon’ny Corée sy ireo maro hafa.

Velarina ny fiaraha-miasa

Ankoatra io olana amin'ny fotodrafitrasa io anefa dia nambara ihany koa tamin’io fihaonana io fa mbola maro ireo toerana no tsy hiasan’ireo mpamatsy vola ireo mihitsy. Ao anatin’izany ny faritra any Atsimo Andrefana, Melaky sy i Bongolava iny. Nampahafantarina ireo mpiara-miombon’antoka ireo ny sarin-tany ahitana azy ireo. « Misy toerana tena tsy ahitana ny fandraisana anjaran’izy ireo mihitsy ka manjary mirona any amin’ny tsy fandriam-pahalemana ny tanora », hoy hatrany ny Minisitra. Tanjona tamin’ity fihaonana ity rahateo moa ny fifampidinihana hanatsarana io sehatra io. Mbola tanora Malagasy aman’arivony no maniry handrato fianarana amin’ny sehatry ny teknika.

Lire la suite

Articles Similaires