• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © El Watan
Image
Vaovao

Fampianarana ambony : Nitombo avo roa heny ny fangatahana vatsim-pianarana mankany Algérie

16/10/2024 13:11 © Moov

Nahitana fitomboana ny isan’ny mpianatra mangataka vatsim-pianarana mankany Algérie tato ho ato, hoy ny avy ao amin’ny Commission Nationale des Bourses Extérieures (CONABEX). Miisa 41 ireo mpianatra handeha handrato fianarana any an-toerana amin’ity taona ity raha 20 izany hatramin’izay. Maro ireo sampam-pianarana azon’ny ankizy manana ny mari-pahaizana bakalôrea arahina any amin’io toerana io. Anisan’ny firenena manana ny mampiavaka azy rahateo izy eo amin’izay lafiny fanabeazana izay.

Nohamoraina

Raha ny tatitra farany tamin’ny Masoivohon’i Algérie izay miasa sy monina eto Madagasikara dia nanambara ny tenany fa miisa maherin’ny 1 tapitrisa amin’izao ny Malagasy mianatra any Algérie. Tamin’ity taona ity dia hiampy 41 indray izany. Nanamarika i Filali Ghouini, Masoivohon’i Algérie izay miasa sy monina eto fa nohamoraina io fandehanana mankany amin’izy ireo io. « Mitondra ny anjara birikinay izahay ho an’ny tanora malagasy. Omena lalana izy ireo hampivoatra ny tenany sy ho an’ny firenena », hoy hatrany ny tenany. Fanamafisana ny fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta ihany koa izany raha ny fanazavany hatrany. Nilaza moa ny tenany fa manana ny rafi-pampianarana anisan’ny tsara indrindra aty Afrika ihany koa i Algérie ka hanome izay fahafahana izay ho an’ny tanora Malagasy izy ireo. Raha ny fampahafantarana dia mahatratra hatramin’ny 80% ny mpianatra tany an-toerana no manana anton’asa ambony any amin’ny firenena hafa, indrindra eto Madagasikara.

Tsy misy sivana ngeza be

Maro isan-karazany ireo sampam-pianarana afaka arahina any an-toerana. Anisan’ny mbola mitana ny sain’ny Malagasy mankany kosa amin’izao ny mikasika ny literatiora, ny asa vaventy ary ny nomerika. Etsy ankilany dia mbola anisan’ny toerana mora hidirana ihany koa any an-toerana. Tsy dia misy sivana betsaka angatahina amin’ireo mpianatra. Ny fananana ny mari-pahaizana bakalôrea kosa anefa dia tsy maintsy hananana. « Mora ny fahazoana ilay vatsim-pianarana. Mila manana BAC dia mametraka fangatahana ary miankina amin’ny fangatahana sy ny naoty ary ny fahaizana no hahafahan’izy ireo manome azy. Etsy andaniny koa dia tsy tokony atao sakana ny tsy fahaizana tenim-pirenena hafa ankoatra ny frantsay « , hoy ny solontenan’ireo mpianatra izay nandray ny vatsim-pianarana. Marihina moa fa maharitra eo amin’ny 5 taona eo ny fandratoana fahaizana any an-toerana ka anisan’ny jerena ihany koa ny fahavonona amin’izany.

Lire la suite

Articles Similaires