• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Metfp
Image
Vaovao

Hetsika Fijery Hafa - Andiany faharoa : Hiompana amin’ny fampiofanana momba ny fikirakirana vy

16/10/2024 15:30 © Moov

Hitohy ilay Hetsika Fijery Hafa voalohany izay karakarain’ny Ministeran’ny Fampianarana teknika sy ny fampiofanana arak’asa teny Isotry. Miditra amin’ny andiany faharoa indray izany ny 18 oktobra ho avy izao eny amin’ny Kianjan’ny Mopera Anosibe. Hiompana kokoa amin’ny fanomezan-danja ny asa rehetra momba ny vy izany. Ny hetsika Fijery Hafa moa raha tsiahivina dia fotoana natao hanomezana fampiofanana maimaim-poana ho an’ireo olona tena marefo.

Ady amin’ny tsy fananan’asa

Natao indrindra ho fanoitra amin’ny tsy fananan’asa sy hanampiana ny velontenan’ny tsirairay ny fisian’ity hetsika ity. Hampahafantarina eny Anosibe amin’io zoma io ny andiany faharoa izay hikasika ny fikirakirana vy. Eo ihany koa anefa ireo izay liana amin’ny sehatra samihafa, toy ny fanjairana, ny fikarakarana sakafo sy mofo ary ihany koa ny fikarakarana taovolo. Hisokatra ihany koa ny tolotra momba ny asa vaventy sy ny « mécanique auto ». Mivelatra ho an’ny rehetra kosa ny fandaharan’asa, indrindra ireo olona izay tena marefo. « Hotolorana fampiofanana maimaimpoana ireo izay hisoratra anarana amin’io fotoana io izay toy ny tamin’ny andiany voalohany. Misokatra amin’ny sehatra rehetra ny fampiofanana fa omena vahana kosa ny mikasika ny vy. Hiantsoana izay rehetra liana amin’izany », hoy i Rasoloarisoa Marie Marcelline, Minisitry ny fampianarana teknika sy ny fampiofanana arak’asa. Hidina eny an-toerana ny mpiasan’ny Ministera amin’io fotoana io handray ireo izay vonona amin’ny fampiofanana.

Andiany voalohany

Nahasarika olona maro tamin’ny Fijery Hafa andiany voalohany izay notanterahina teny Isotry ny mikasika ny zaitra, fanaovana lakozia sy fanamboarana mofo ary ny fikarakarana volo. Efa hanomboka ny 28 oktobra izao ny fampiofanana azy ireo ary haharitra dimy andro izy io. Miisa 164 ireo mpiofana voaray tamin’izany. Hisokatra ho an’ny tanora malagasy rehetra kosa ny fampiofanana aorian’ireto andiany roa ireto. Tsara moa ny manamarika fa mbola maherin’ny 70% ny tanora malagasy tsy an’asa amin’izao fotoana izao. Hahazo mari-pahaizana hahafahana manampy amin’ny fitadiavana asa mifanaraka amin’ny fiofanana moa ireo tanora ireo.

Lire la suite

Articles Similaires