• Cours de change
  • €4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © W
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo soritr’aretina manambara diabeta vao manomboka tsara ho fantatra

21/10/2026 10:21 © Moov.Mg

Ny diabeta dia aretina mitaiza vokatry ny fiakaran’ny tahan’ny siramamy (glucose) ao anaty rà. Amin’ny fiandohany dia mety hivoatra tsikelikely izy io ka tsy ho tsikaritra mandritra ny volana maro na taona maro mihintsy. Misy ihany nefa ireo soritr’aretina tokony hampanahy mety hanambara diabeta vao manomboka ka tsy tokony atao tsirambina. Ny fahitana mialoha ny aretina dia manampy amin’ny fisorohana ny fahasarotana sy amin’ny fanaraha-maso azy.

Maninona no matetika tsy tsikaritra ny soritr’aretina voalohan’ny diabeta ?

Matetika dia malefaka ny famantarana voalohany ny diabeta ka mety ho heverina ho vokatry ny havizanana, ny rarintsaina, ny fahanterana na fiovan’ny fomba fiaina fotsiny. Rehefa miakatra loatra anefa ny tahan’ny siramamy ao anaty rà dia manomboka miseho ireo fiovana samihafa eo amin’ny vatana.

Soritr’aretin’ny diabeta vao manomboka : mangetaheta tsy mahazatra

Anisan’ny famantarana voalohany ny diabeta ny hetaheta tafahoatra sy maharitra. Rehefa be loatra ny siramamy ao anaty rà dia miasa mafy kokoa ny voa mba hanesorana izany amin’ny pipy. Vokatr’izany dia betsaka kokoa ny rano very ka mahatonga ilay olona hangetaheta matetika. Raha toa izany ka mahatsapa mangetaheta lava nefa tsy mafana ny andro na tsy nanao ezaka manokana, dia ilaina ny manatona mpitsabo.

Mivalandrano matetika

Mifandray amin’ny hetaheta tafahoatra ny filàna mivoaka(mipipy) matetika. Ny olona voan’ny diabeta vao manomboka dia mety hahatsikaritra fa mandeha any amin’ny trano fivoahana matetika kokoa noho ny teo aloha, na amin’ny antoandro na amin’ny alina. Ny fifohazana imbetsaka amin’ny alina satria te hipipy dia famantarana iray tsy tokony hatao tsinontsinona, indrindra raha nitranga tampoka izany.

Havizanana tsy mahazatra

Soritr’aretina mahazatra amin’ny diabeta ny havizanana maharitra. Na dia ampy torimaso aza ny olona iray dia mety mbola hahatsiaro reraka foana. Ny anton’izany dia satria tsy ampiasain’ny sela araka ny tokony ho izy ny « glucose », izay loharanon-kery fototry ny vatana, vokatry ny tsy fahampiana na tsy fahombiazan’ny asan’ny « insuline ».

Mihena lanja tsy fantatra antony

Ny fihenana lanja, na hoe lasa mihamahia, nefa tsy nampihena sakafo na nampitombo fanatanjahantena dia mety ho famantarana mampiahiahy manambara diabeta. Rehefa tsy afaka mampiasa tsara ny « glucose » ny vatana mba hamokarana angovo, dia manomboka mandoro ny tahirin-tavy sy ny hozatra izy. Mety hiteraka fihenan-danja tsy nahy izany.

Noana matetika na dia avy nisakafo aza

Ny olona voan’ny diabeta sasany dia mahatsiaro noana foana na dia misakafo ara-dalàna aza. Rehefa tsy tafiditra tsara ao anaty sela ny « glucose » dia mety hihevitra ny vatana fa tsy ampy angovo ka lasa mampitombo ny fahatsapana hanoanana.

Manjavozavo ny fahitana

Ny siramamy be loatra ao anaty rà dia mety hisy fiantraikany vetivety amin’ny maso ka hahatonga ny fahitana ho manjavozavo. Na dia tsy voatery hidika aretina lehibe amin’ny maso aza izy io, dia tsara ny manatona mpitsabo raha miseho tampoka na miaraka amin’ireo soritr’aretina hafa voalaza ireo izany.

Mora tratran’ny aretina isan-karazany

Ny diabeta dia mety hampitombo ny mety hahazoana:
-Aretin’ny lalan-drano (infection urinaire) ;
-Aretina amin’ny hoditra ;
-Aretina amin’ny hihy ;
-« Mycose » miverimberina.
Raha miverimberina matetika ireo aretina ireo na sarotra sitranina dia mety ho famantarana diabeta izany.

Ela sitrana ny ratra

Ny ratra madinika, ny fery na ny kiaka dia mety ho ela kokoa vao sitrana amin’ny olona voan’ny diabeta. Ny tahan’ny siramamy avo ao anaty rà tokoa mantsy dia mety hanakorontana ny fizotry ny fanarenana ny sela sy ny tavy.

Misy mangidihidy amin’ny tanana sy tongotra

Amin’ny olona sasany dia mety hisy fiantraikany amin’ny hozatra mpampita hafatra (nerfs) ny diabeta ka hiteraka fahatsapana manindrotsindrona, mavaivay na mangidihidy eo amin’ny tanana sy ny tongotra. Tsara noho izany ny mijery mpitsabo raha toa ka miverimberina ireo soritr’aretina ireo.

Rahoviana no tokony hanatona mpitsabo?

Tsy midika ho diabeta avy hatrany akory ny fisian’ny iray amin’ireo soritr’aretina ireo. Kanefa, raha maromaro no miseho miaraka, indrindra ny hetaheta tafahoatra, ny fivalanan-drano matetika, ny havizanana maharitra ary ny fihenan-danja tsy misy antony mazava, dia tsara ny manatona mpitsabo. Ny fandrefesana ny tahan’ny siramamy ao anaty rà na fitiliana amin’ny alalan’ny rà no ahafahana manamarina na manilika ny fisian’ny diabeta.

Lire la suite

Articles Similaires