Ireo fanaintainana madinika mety ho famantarana olana ara-pahasalamana
Toe-javatra fahita ny fahatsapana fanaintainana madinika indraindray. Mety ho fanaintainan'ny hozatra aorian'ny fanatanjahantena, aretin'andoha vetivety na fanaintainan'ny tonon-taolana noho ny havizanana. Amin'ny ankamaroan'ny tranga dia tsy mampanahy izany. Na izany aza anefa misy fanaintainana sasany, na dia malefaka aza amin’ny voalohany, no mety ho famantarana olana ara-pahasalamana lalindalina kokoa. Ilaina noho izany ny mahafantatra hoe rahovina no tokony hanatona mpitsabo.
Fanaintainana eo amin'ny tratra, na dia tsy mafy aza
Tsy voatery hidika foana hoe aretim-po ny fanaintainana na ny fahatsapana tsindry eo amin'ny tratra. Mety izany ho vokatry ny fihenjanan'ny hozatra, asidra miakatra avy any amin’ny kibo na tebiteby. Raha maharitra kosa ilay fanaintainana, miverimberina na miaraka amin’ny fahasemporana, maloiloy, hatsembohana be, fanaintainana miparitaka mankany amin’ny sandry, vozona na valanorano ; dia ilaina ny manatona mpitsabo haingana.
Aretin'andoha tsy mahazatra
Mahazatra ny aretin'andoha ary matetika tsy dia mampanahy. Saingy misy toe-javatra sasany tokony hampitandrina :
-aretin'andoha tampoka sy tena mafy;
-aretin'andoha hafa noho izay mahazatra;
-fanaintainana mitombo tsikelikely;
-miaraka amin’ny olana amin'ny fahitana, fitenenana na fifandanjana.
Mety ho famantarana olana eo amin'ny ati-doha na ny rafi-pitatitra ireo tranga ireo.
Fanaintainana miverimberina ao amin’ny kibo
Mety ho vokatry ny olan’ny fandevonan-kanina mandalo ny fanaintainana ao an-kibo. Fa raha miverimberina matetika izy io, maharitra andro maromaro, na miaraka amin'ny soritr'aretina hafa dia tsara ny manatona mpitsabo. Anisan'ireo famantarana tokony hahamailo ny:
-fihenan-danja tsy nahy;
-fandoavana matetika;
-rà ao amin'ny fivalanana;
-tazo maharitra;
-havizanana tafahoatra.
Mety ho famantarana aretina ao amin'ny tsinay na taova fandevonan-kanina izany.
Fanaintainana maharitra amin’ny tonon-taolana
Rehefa mihantitra na avy nanao ezaka ara-batana dia mety hanaintaina ny tonon-taolana. Raha toa anefa maharitra herinandro maromaro ilay fanaintainana, na misy fivontosana sy fitohanana amin'ny fihetsika dia tsy tokony hatao ambanin-javatra. Indraindray izany dia mety hifandray amin'ny « maladie inflammatoire » na « auto-immunena » mila fitsaboana manokana.
Fanaintainan'ny lamosina miaraka amin'ny soritr'aretina hafa
Anisan’ny fitarainana mahazatra indrindra ny fanaintainan’ny lamosina. Matetika izy io dia vokatry ny olana amin’ny « hozatra » na fihetsika tsy nety. Tokony hanatona mpitsabo anefa raha:
-nisy ratra na dona teo aloha;
-mihamalemy na tsy afaka mihetsika ny tongotra;
-misy fahalemena amin'ny hozatra;
-misy olana amin'ny fivalanan-drano na fivalanana;
-manapaka torimaso isak’alina ny fanaintainana.
Mety haneho olana amin'ny lalandrà na taova hafa ireo famantarana ireo.
Fanaintainana miverimberina eo amin'ny faritry ny valahana
Ho an'ny vehivavy dia mety ho ara-dalàna ny fanaintainana sasany mandritra ny fadimbolana. Na izany aza, raha tena mafy ilay fanaintainana, miharatsy rehefa mandeha ny fotoana, na miseho ivelan'ny fadimbolana dia tsy tokony hatao tsirambina. Mety hifandray amin'ny « endométriose », « kystes ovariens », na olana hafa eo amin'ny taovam-pananahana izany.
Rahoviana no tokony hanatona mpitsabo ?
Tsara ny mangataka torohevitra ara-pitsaboana raha toa ka:
-miseho tampoka ny fanaintainana;
-mihamafy tsikelikely;
-maharitra andro na herinandro maro;
-miverimberina matetika;
-manelingelina ny asa sy ny fiainana andavanandro;
miaraka amin'ny tazo, fihenan-danja, fahasemporana na soritr'aretina hafa tsy mahazatra.





